Amin’ny volana mey ho avy io, araka ny nambaran’ny solontenan’ireo mpampianatra mpikaroka mivondrona ao amin’ny SECES, no tokony hanombohan’ny taom-pianarana 2010-2011 eny amin’ny anjerimanontolo raha toa ka tanteraka amin’ny antsakany sy andavany ireo fepetra napetrak’izy ireo sy ireo fikambanan’ny mpianatra izay mitaky ny hanafaingana ny fotoam-pidirana.
Velon-taraina noho ny fitontongan’ny vokatra miakatra ireo tantsaha mpamokatra any amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Noho ny hakelezan’ny rotsak’orana amin’ny ankapobeny no nahatonga izany izay miteraka tsy fahampiana sy tsy fanjarian-tsakafo. Eo an-danin’izay anefa dia nambaran’izy ireo fa volabe no lany tamin’ny fividianana zezika sy masomboly izay samy tsy nahitana tombony na dia kely monja aza.
Efa mba miverina amin’ny laoniny tsikelikely raha efa nampitaraina ny mpanjifa fatratra teo aloha ny vidin’ny saribao. Raha tsy nahazo izany intsony mantsy ny 100 Ar nandritra ny fotoam-pahavaratra dia efa mahazo indray ankehitriny. Na izany aza anefa tsy ampy iray tanana ny arina 100 Ar araka ny fanazavan’ny mpividy iray noho ny fanamboaran’ireo mpivarotra ilay fandraofana vy hampiasaina izay mazana pempo hatrany ny fanambaniny.
Hanao hetsika fanairana ka hanidy tsena ireo mpivarotra eo Anosibe anio. Araka ny nambaran’ny sasany tamin’izy ireo dia tsy ankatoavin’izy ireo ny fanerena hampiasa faktiora amin’ny entana amidy. “Bon de livraison” dia tokony ho ampy, hoy izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.