Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alakamisy 14 Aprily 2011


Ao Tolagnaro ny delegasiona tarihin'ny Minisi-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana, Yves Aimé Rakotoarison no hisantatra ny fitetezam-paritra fampahafantarana sy fanazavana amin’ny vahoaka ao amin’ny lapan’ny tanàna ny tondrozotra hitantanana ny tetezamita amin’ity anio ity. Hiara-dia aminy i Reboza Julien, minisitry ny rano sy ny minisitry ny asa vaventy, Razafimbelo Alain.

 

Orinasa afaka haba maromaro eto an-drenivohitra no nandray mpiasa hatramin’ny fiandohan’ny herinandro teo, araka ny fanadihadiana natao. Orinasa afaka haba izay miompana amin’ny fanamboarana akanjo bà rano fotsiny ihany. Maro amin’izy ireny mantsy no nahazo komandy betsaka, indrindra ireo tena havanana. Eo an-danin’izay kosa dia tsy mandray mpiasa mihitsy ireo orinasa tsy manjaitra afa tsy ireo karazana akanjo izay tsy mifidy toetr’andro toy ny pataloha, ny tee-shirt…

 

Ahiana ho lany tamingana ireo omby any amin’ny distrikan’i Manja. Araka ny vaovao voaray mantsy dia mahatratra 80 ka hatramin’ny 100 isan-kerinandro ireo omby mivoaka ao amin’ny kaominina iray ao anatin’ity distrika ity ankoatra ireo robain’ny dahalo sy hamidy eny an-tsena. Hetahetan’ny mponina noho izany ny tokony hijeren’ny fitondram-panjakana akaiky ny mikasika izany, omby izay hany harena tokana mampalaza ity distrika ity.

 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT