Paikady hafa indray no hampiasain’ny kaominina Antananarivo renivohitra entina hanadiovana ny moron-dalana amin’ny alalan’ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana. Vatan-dehilahy manodidina ny 140 isa no indray nirotsaka teny Analakely nanomboka tamin’ny alatsinainy nanentana ireo mpivarotra efa nahazo toerana hiditra anaty tsena sy nampahafantatra ireo minia mikipy ny fampiharana ny lalàna velona raha toa ka minia manapin-tsofina izy ireo. Azo lazaina ho nadio ny sisin-dalana nanomboka tamin’io alatsinainy io na dia mbola misy aza ireo mpivarotra no tsy resy lahatra.
Nahitana fihenany kely ny vidim-bary teny an-tsena nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Noho ny fahatongavan’ny vary vakiambiaty, araka ny fanazavan’ny mpivarotra, no antony iray mahatonga izany raha eo ihany koa ny fiparitahan’ny vary mora izay efa misy mivarotra 300 ariary ny iray kapoaka eny an-tsena eny. Mifanohitra amin’izay kosa ny vidin’ny atody izay tafakatra 390 raha telo 1000 ariary teo aloha.
Velon-taraina noho ny haratsian-dalana sy ny tsy fisian’ny fandriampahalemana any amin’ny faritra misy azy ireo mponina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambatomainty, distrikan’i Fenoarivobe. Tsy manan-tahotra intsony mantsy ireo dahalo fa dia sahy manafika tanàna amin’ny andro antoandro. Eo an-daniny anefa any amin’ny toeran-davitra vao ahitana ny biraon’ny zandarimaria izay marihina ihany koa fa be noho ny vitsy ka tsy ampy hampihorohoroan’ireo mpanao ratsy sy toheriny.
Hanao fitetezam-paritra ny governemanta Vital ka ny minisi-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ny Andrim-panjakana, Rakotoarison Yves Aimé no hitarika izany. Fampahafantarana sy fanazavana ny tondrozotra hitantanana ny tetezamita amin’ny vahoaka ifotony no tanjona, ny faritra Atsimo no hisantarana izany tsy ho ela.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.