Nahazo solosaina miisa 27 avy amin’ny malala-tanana ny ivontoeram-piofanana arak’asa ao Ambositra. Ny herinandro lasa teo no nanolorana tamim-pomba ofisialy izany hahafahan’ny mpianatra miatrika amim-pilaminana ny fianarana tokony hatrehiny. Tsiahivina fa efa mahatratra 140 ny isan’ny mpianatra eo anivon’ity ivontoeram-piofanana ity ankehitriny raha tsy nihoatra ny folo teny am-piandohana.
Mpamboly nihotsahan’ny tany. Tsy afa-mihetsika intsony ny tapany havanana iray manontolo. Potika ihany koa ny tavany havanana ary tsy hita ny ratsana iray tamin’ny tanany havanana hatrany. Izany dia vokatry ny fihotsahan’ny tany tao Anosiala-Ambohidratrimo omaly tolakandro. Nentina niakatra haingana aty an-drenivohitra io lehilahy mpamboly io ary mbola ao anatin’ny fitsaboana tanteraka amin’izao fotoana izao.
Tsy nionona tamin’ny fampidirana am-ponja ireo andian-jiolahy izay fantatra tamin’ny hoe «bande des 12» akory ny zandary. Fantatra fa mbola karohina fatratra i Beloha sy Patsa amin’izao fotoana izao. Miray tendro amin’i Solo “paingotra” izy ireo ary efa nanatontosa heloka bevava maro. I Patsa no nitifitra ilay zandarin’Itaosy izay naratra mafy. Io arak’izany no tena hiandronan’ny hatezeran’ireo mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao. Karohina izy na maty na velona ary efa naparitaka eraky ny toby ny sariny.
Nankalazaina omaly alatsinainy tao Fandriana, Faritra Amoron’i Mania ny fifaninanana ara-panatanjahantena eo anivon’ireo sekoly teknika any amin’ity faritra ity. Haharitra hateloana izany ary horavahan’ireo hetsika ara-panatanjahantena maro isan-tsokajiny handraisan’ny mpianatra anjara. Tonga nanatrika ny fanokafana omaly ireo fianakaviamben’ny fampianarana teknika any amin’ity Faritra ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.