Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 08 Aprily 2011


Handray mpandraharaha vahiny miisa 300 ny any amin’ny distrikan’i Toliara amin’io volana Oktobra ho avy io. Mpandraharaha izay hanampy ireo tompon’andraikitra any an-toerana amin’ny fampahafantarana ny lazan’ity distrika ity amin’ny lafiny ara-pizahantany izay marihina fa mbola marefo dia marefo tokoa. Ny 20%-n’ireo efitrano fandraisam-bahiny any an-toerana ihany mantsy hatreto no misy mpitsidika izay marihina fa fotoana vitsy ihany koa.

 

Nidina any Toliara, nitsapa alahelo ary koa nampahery ireo niharam-boina vokatry ny fihinanana trondro misy poizina ny delegasiona tarihin’ny praiministra Camille Vital. Nanolotra fanampiana ireo traboina tamin’ny anaran’ny fitondrana izy ireo.

 

Nanomboka omaly hariva tamin’ny 06 ora sasany ilay fitoriana ny filazantsara lehibe karakarain’ny fiangonana Advantista. Haharitra folo andro izany ao anatin’ilay lohahevitra hoe : ny tsiambaratelon’ny fahasambarana. Ny profesora Andriamanarivo Mamy Lalatiana moa no hitondra ny tenin’Andriamanitra amin’izany.

 

Niditra tamin’ny andro fahatelo omaly ny fidinana an-dalambe ataon’ny vahoaka ao Tolagnaro. Fanadiovana ny lalam-pihariana hazo izy no nivadika ho fitakiana ny fialan’ny Lehiben’ny Faritra Anosy. Vao maika nampahery vaika ny fitakiana ny fisian’ny olona telo, izay Havana ministra teo aloha ny iray, voasambotra. Ankoatra izay tapaka ny jiro ao Tolagnaro omaly tontolo andro, tsy mandeha efa ho telo herinandro koa ny TVM any an-toerana.

 
 

Nangonin’i Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT