Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 04 Aprily 2011


Hanangana tsena vaovao mahazaka mpivarotra 300 isa etsy Analakely ny kaominina Antananarivo renivohitra mba hampanara-dalana ireo mpivarotra amoron-dalana mbola tsy nahazo izany. Lohalaharana amin’ny fahazoana ity tsena vaovao ity ireo mpivarotra tokony hiditra ao amin’ny tsenan’Anjoma saingy tsy nahazo izany. Amin’ity herinandro ity moa no hisokatra io tsena vaovao io.

 

Fiovana napetraky ny PDS-n’Antananarivo Edgard Razafindravaha ny fanomezana andraikitra vaovao ireo tompon’andraikitry ny Kaominina amin’ny fiahiana ny fokontany. Fokontany miisa 32 no mahazo tombontsoa, anisan’izany ny fokontanin’Ambatomainty izay ahian’ny talen’ny raharaha ara-pitsarana eo anivon’ny kaominina. Araka ny nambaran’ny filohan’ity fokontany ity dia nitondra fanavaozana sy fivoarana tanteraka ho an’ny tanàna ny fisian’izay fiahiana izay ka anisan’ny lohalaharana amin’izany ny fandriampahalemana. Eo ihany koa ny fanomezana rano fisotro madio sy ny asa fanamboarana Ceg sy Epp ho an’ny mpianatra.

 

Nandresy 2-0 ny adema tetsy Mahamasina. Ny nahatsikaiky dia ny nafitsok’ireo mpitantara ho an’ireo izay nijery ny fahitalavi-pirenena nandefa mivantana ny lalao. Tsy hay intsony na nitantara na miady hevitra na mijery baolina ireo roalahy nampiaina mivantana iny lalao iny. Tsy mitantara izay hitany ry zalahy fa toa ireo mpijerin’i Mahamasina mihitsy. Mora mivadika. Soa aloha fa nandresy ny mpilalao Malagasy.

 

Tsy mamela mahazo ny aretina gripa. Mitombo isa hatrany ireo olona manatona tobim-pitsaboana sy dokotera araka ny fanadihadiana natao noho io aretina io izay marihina fa miara-dalana hatrany amin’ny kohoka. Noho ny fiovaovan’ny toetr’andro tato ho ato araka ny voalazan’ny dokotera no antony mahatonga izany toy ny hafanana diso tafahoatra, arahin’ny ranon’orana izay somary miaro hatsiaka kely indraindray. Ireo zokiolona sy ireo ankizy latsaky ny 5 taona moa no tena lasibatra araka ny fanadihadiana natao ihany.

 

Mampikaikaika ny mpandeha ny taxibe mihazo an’i Ivato iny. Amin’ny hariva, manomboka amin’ny enina ora mahery eo dia efa manomboka mampifilafila tsy mitondra mpandeha izy ireo nefa ny olona milahatra, indrindra fa avy ny orana. Eny an-dalana anefa izy no mameno. Amin’ny maraina indray dia manao vodihazo izy ireo, izany hoe mijanona isaka ny fiantsonana ka mazàna tara ireo mpiasa sy mpianatra mamonjy fotoana. Ny fandehanana mafy rehefa mifanenjika izy ireo manginy fotsiny.  Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra voakasika, araka izany, ireo olona mampiasa iny lalana iny.

 
Nangonin’i Pati
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT