Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 01 Aprily 2011


Hentitra ny orinasa JIRAMA amin’ny fitakiana ny vidin’ny jiro sy rano any amin’ireo tokantrano na orinasa tsy mbola nandoa izany noho ny antony manokana. Voakasik’ity fitakiana ity avokoa ireo orinasam-panjakana maro isan-tsokajiny izay mety hiafara amin’ny fanapahana ny jiro sy ny rano mihitsy, araka ny vaovao voaray.

 

Kaominina miisa 200 amin’ireo 500 isa tsy mbola nahazo ny anjara FDL-ny no nahazo izany omaly alakamisy. Kaominina nahafeno ny fepetra notakiana taminy avokoa ireto 200 raha mbola hahazo tombontsoa manokana ihany koa ny 50. 50 izay marihina fa nanana tetikasa hafa matotra saingy tsy tafiditra tao anatin’io FDL io.

 

Hanamarika ny faha-40 taonan’ny hetsi-panoherana nahafatesana Malagasy 1000 teo ho eo tany Toliara ny Monima amin’ity anio. Hisy fanaterana fehezam-boninkazo ao amin’ny tsangambaton’i Monja Jaona eny Amorondrika Toliara, hitohy ao amin’ny foiben-toeran’ny antoko ao Sanfily ny hetsika avy eo hisian’ny fandefasana horontsary mirakitra ny raharaha 1971 io.

 
Nangonin’i Fi

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT