Araka ny hita sy tsapa eny rehetra eny dia mihamitombo hatrany ireo mpatory an-dalana eny Analakely tato ho ato. Mangataka ny ankamaroan’izy ireny amin’ny andro antoandro, tsy hanavahana na lahy na vavy raha efa tazana manatevin-daharana azy ireo ihany koa ireo karazana tovolahy misy karazana holatra amin’ny vatany vokatry ny fahamaizana nahazo azy fahiny. Holatra izay marihina fa efa sitrana, saingy paikady iray hahafahany misintona ny mpandalo hangoraka azy ka hahazoany vola.
Hitondra ny anjara birikiny ho fampandrosoana ny faritra Analanjirofo ny fikambanan’ny zanaka ampielezan’ny Betsimisaraka atsimo. Nandritra ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona notontosain’izy ireo ny faran’ny herinandro teo no nahafantarana izany. Hisy ny fametrahana soritr’asa eny anivon’ny fiarahamonina, araka ny vaovao voaray izay hatomboka amin’ny alalan’ny fifaninanana basesy ho an’ny isaka ny distrika.
Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notontosaina ny alahady 27 martsa lasa teo tao amin’ny fiangonana Loterana ao an-tampon-tanànan’i Mahanoro no nisantarana ny fanamarihana ny tsingerin-taona faha-64-n’ny tolom-panafahana 29 martsa ho an’ity distrika ity. Fotoam-pivavahana izay nitondrana am-bavaka manokana ny firenena narahin’ny fanateram-boninkazo teo amin’ny fasan’ny maherifo omaly talata 29 Martsa.
Niatrika fiofanana momba ny ady atao amin’ny fanilikilihana ireo olona tratry ny areti-mandoza SIDA ireo mpanao bara sy mpikarakara trano fandraisam-bahiny ao an-drenivohitr’i Tolagnaro. Tompon’antoka tamin’ny fampiofanana ny PSI Madagascar raha ny Global Found kosa no namatsy vola. Haharitra dimy taona ity tetikasa ity ka ireo distrika be mpizahantany no laharam-pahamehana ao anatin’izany. Faritra valo amin’ireo 22 misy eto Madagasikara moa no voakasik’izany.
Teny Tsimahabeomby Imerintsiatosika no nifamotoana ireo mpikambana amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita sy ireo mpandraharaha ao, notarihin’ny Filohany ny Jeneraly Rasolosoa Dolin, ny zoma teo, nanatanteraka ny adidiny amin’ny firenena momba ny fambolen-kazo. Zana-kininina manitra 1.000 fototra no novolena tamin’izany ho fanatanterahana ny fanamby napetraky ny ministeran’ny tontolo iainana hambolena zanakazo amin’ny velaran-tany 50 hektara isaky ny faritra. Nanamafy ny tokony hanaraha-maso ireto hazo novolena ireto, ka hijerijerena azy matetika ny Jeneraly Rasolosoa Dolin.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.