Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny daty hanombohan’ny taom-pianarana 2010-2011 eny amin’ny sekoly ambaratonga ambony eny Ankatso na dia efa nisy azy ny fihaonana mivantana teo amin’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ireo mpampianatra mpikaroka, mivondrona eo anivon’ny SECES. Nanambara moa ny filohan’ny SECES sampana Antananarivo fa tsy hanomboka velively ny fampianarana raha tsy efa feno ny vola rehetra ilaina mikasika izany toy ny tambin-karaman’ny mpampianatra sy ny mahakasika ny asa fikarohana, ny tambin-karaman’ireo mpandraharaha ary ny vatsim-pianaran’ny mpianatra.
Nitokona nanoloana ny paompin-drano fisotro madio fangalany rano ireo mponina tao amin’ny fokontanin’Andohatapenaka II afaka omaly alarobia. Fitokonana izay nentin’izy ireo nanehoana ny alahelony vokatry ny fanapahan’ny jirama ny rano. Noho ny tsy fahaloavan’ny fokontany ny faktiora moa no voalaza fa antony nahatonga izany, fokontany izay nanamafy indray fa tsy avy amin’izy ireo no nahatonga ny olana fa avy amin’ny olona iray izay mpitantana ny paompy no sady mpandray ny volan-drano. Nitohy tamin’ny fihaonan’ny sefo fokontany sy ny jirama moa ny raharaha omaly.
Mbola betsaka ary vao mainka mitombo isa mihitsy aza ka mampitaraina ny rehetra ny fisian’ireo mpamily fiarakodia izay minia tsy manaja na tsy mahalala akory ny fisian’ireny passage cloûté ireny, manerana ireo arabe eto an-drenivohitra. Zazalahy kely iray sahabo ho 10 taona indray no saika nisy nandona tetsy Analakely omaly antoandro raha iny niampita arabe avy any amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina iny hihazo ny pavillon Analakely. Tsangan-tanana nataon’ilay zaza no nampijanona ilay fiara izay marihina fa tsy nieritreritra akory ny fisian’ilay passage cloûté.
In-droa notafihin’ny dahalo tao Sakay Tanamarina any Ikalamavony tao anatin’ny 48 ora. Tafaverina ny efatra tamin’ny omby folo nalain’ny dahalo ny alahady andro voalohany nitrangan’ny fanafihana. Niafara tamin’ny fahafatesana Zamà, mpiandry tanàna, roa izany ny talata raha niverina nanafika ny dahalo.
Nisafidy ny tsy hiainga maraina intsony ireo mpamily taxi-brousse mihazo an’Ambatondrazaka tato ho ato noho ny asa fanamboarana tsy maintsy hatao ka mahatonga ny lalana ho tapaka manomboka amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora alina. Eo anelanelan’Andranomadio mihazo an’Andaingo no misy ny asa fanamboarana ankehitriny izay tsy mahafa-po ireo mpamily taxi-brousse loatra. Ho azy ireo mantsy dia ireo ampahan-dalana tena ratsy no sady fanararaotan’ireo dahalo mpangalatra no tokony hasiam-panamboarana mialoha vao manaraka ny sasany.
Namoy ny ainy afak’omaly alarobia 23 martsa teo amin’ny faha-79 taona i Elizabeth Tailor ilay mpilalao sarimihetsika malaza tany Holly wood. Vokatry ny tsy fahampian’ny tosidra nihatra taminy no nahafaty ity renim-pianakaviana milalao sarimihetsika malaza eran-tany ity izay marihina fa im-balo nanambady ary in-droa nanao mariazy tamin’ny lehilahy iray tena tiany indrindra. Tao anatin’ny fahanginana sy ny filaminana tanteraka no nahafatesan’i Elizabeth Tailor, araka ny vaovao voaray, fa tsy nisy hasarotana na fitarainana naloaky ny vavany.
Nitsidika tao Toamasina ny filohan’ny GTT La Réunion, Rivosoa Rambolamanana, ny 18 sy 19 martsa lasa teo. Nisy ny fihaonana tamin’ireo mpikatroka mambran’ny GTT Toamasina. Fotoana izay nisian’ny fifanakalozam-baovao teo amin’ny roa tonta. Nanararaotra naka ny hevitry ny tanora eto an-toerana koa izy tamin’ny fakana horonantsary fanehoan-kevitra izay halefa amin’ny Youtube. Nisy koa ny fandalovany tao Fenoarivo Atsinanana, izay distrika efa misy rantsana GTT.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.