Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alarobia 23 Martsa 2011


Taorian’ny ezaka nataon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny fampidirana ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna anaty tsena dia mbola nisy ihany ireo mpivarotra nihoa-pefy. Nisy ny hetsika nataon’ny polisin’ny tsena sy ny polisy monisipaly nanalana azy ireo. Voakasik’ity hetsika ity ny teny amin’ny faritra Ambohijatovo, Analakely, Antaninarenina, ary Tsaralalana.

 

Ramatoabe 80 taona niaraka tamin’ny zafikeliny 16 taona, izay samy mbola velona avokoa no hitan’ireo mpamonjy voina tao an-tanànan’i Japon ny alatsinainy teo raha iny nanao ny asany toy ny mahazatra iny izy ireo. Efa andro maromaro no niainan’izy ireo tao ambanin’ilay trano izay nanototra ny trano nonenan’izy ireo taorian’ny “tsunami”, izay nitsikian’ny vintana ka izao mbola velona soa aman-tsara izao.

 

Manarintsoa Isotry no Fokontany nofidian’ny Kaominina Antananarivo renivohitra hankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny rano, atao ny 22 martsa isan-taona. Fanentanana samihafa manodidina ny fahadiovana no teny an-toerana, izany dia narahana fizarana sur’eau fanadiovana rano

 

Hanara-penitra ny rotsak’orana manerana ny Nosy amin’ity volana martsa ity, araka ny nambaran’ny mpamantatra ny toetr’andro. Mifanohitra amin’izay kosa anefa ny hafanana. Raha 26°C no maripana ara-dalàna amin’ny volana martsa tahaka izao dia tafakatra hatrany amin’ny 28°C izany, araka ny fanazavan’ny mpamantatra ny toetr’andro ihany. Tokony ho malina sy hahay handanjalanja ny fitafiana hanaovany ny rehetra noho izany ary tsy tokony hanadino ny mitondra aro orana.

 

Mitohy ny hetsika ataon’ireo fivondronana antoko mpihira ao Antsirabe amin’ilay tetikasa "vina fampandrosoana", izay tarihin-dRakotoniaina Jean Maurice sy Ratsimbazafy Fredy. Ankoatra ny fanampiana ireo toby lehibe manodidina an’Antsirabe dia miroso amin’ny vondrom-bavaka indray mandeha isam-bolana indray izy ireo ka any amin’ireo fiangonana misy ireo antoko mpihira no anaovana izany ka ny alahady 20 marsa teo dia ny fiangonana FLM Ambalavato no nisantarana izany. Haharitra roa taona ny hetsika araka ny tatitra ihany.

 

Mbola betsaka amin’ireo tantsaha mpamokatra any amin’ny faritra Atsimo ankehitriny no mitaraina ho tsy manana masomboly hovolena raha nihoatra ny mety kosa indray ny rotsak’orana. Hetahetan’izy ireo noho izany ny mba hijeren’ny fitondram-panjakana akaiky azy ireo ankoatra ny fanampiana mahazatra toy ny natolotry ny BNGRC.

 
 Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT