Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Talata 22 Martsa 2011


Velon-taraina noho ny tsy fisian’ilay vary mora eny an-tsena ny mponina eny Atsimondrano. Efa ho herinandro izao no tsy nahitana intsony io vary io eny amin’ireo tsena fividianana azy noho ny antony tsy fantatra.

 

Mirongatra ny halatra moto sy fiara 4L eto an-drenivohitra. Fitarainana halatra fiara miisa 11 no voarain’ny polisy etsy Anosy ny herinandro lasa teo raha nahatratra efatra kosa ny moto. Araka ny fanadihadiana natao dia alain’ireo mpangalatra ny fiara ary lokoany sy ovany laharana aorian’izany.

 

Mbola mamely ny mponina eto an-drenivohitra hatrany hatramin’izao ny gripa mahery sy ny kohaka. Noho ny fiovaovan’ny toetr’andro no voalazan’ny dokotera fa antony mahatonga izany, indrindra amin’izao ankatoky ny ririnina izao. Eo an-daniny, tsy vitsy ihany koa ireo karazan’aretina mipoitra noho loto sy miparitaka etsy sy eroa sy ny noho ny tsy fahampian-tsakafo izay efa hiainan’ny tokantrano maro.

 

Niditra tamin’ny andro fahenina amin’ny fitsaboana maimaimpoana ireo mpianatra ao an-drenivohitr’Ambalavao ireo mpitsabo Belza tonga any an-toerana omaly. Mpianatra 100 hatreto no efa nahazo tombontsoa tamin’izany, araka ny vaovao voaray. Ny 25 martsa ho avy io moa vao hifarana ny hetsika, tafiditra ao anatin’ny asa soa entina hanampiana ny mpiara-belona.

 

Asa fampaherezana natomboka tamin’ny filaharam-be namakivaky ny tanàna no nentina namaranana ny isan-kerin-taonan’ny fiangonana Ziona Mahasoa eo anivon’ny FLM any amin’ny distrikan’Ambalavao omaly alatsinainy 21 Martsa. Mpiandry sy mpiomana 18 mianadahy no notokanana tamin’izany, raha ny Pastora Endor Modeste kosa no nitarika ny fotoana.

 

Nangina ny fambolen-kazo tany amin’ny distrikan’i Mananjary nanomboka ny taona 2008 no ho mankaty. Teo an-danin’izay anefa dia niha nahazo vahana ny tavy sy ny fikapana ireo karazan-kazo maro isan-karazany nanaovana harina sy nandrafetana fanaka. Manoloana izany dia nisy ny hetsika notontosain’ireo Amical des Cadres tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Hazo 800 fototra no indray natsatoka tamin’izany entina hanarenana ireo hazo voakapa sy nosimbaina.

 
Nangonin’i Pati
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT