Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 21 Martsa 2011


Tafakatra 16.000 isa ireo olona namoy ny ainy tsy hita popoka vokatry ny tsunami sy ny horohorontany nitranga tany Japon ny herinandro lasa teo. Roa andro taorian’ny nitrangan’ny loza indray mantsy dia nirotsaka ny ranomandry izay niteraka hadisoam-panantenana goavana ho an’ireo mpamonjy voina ny amin’ny fitadiavana ireo olona mbola velona tavela any rehetra any. Niroso avy hatrany tamin’ny fanalana ireo trano nirodana ny mpamonjy voina noho izany ka razana am-polony indray no hita ny faran’ny herinandro teo. Manodidina ny 5 hetsy ireo teratany Sinoa traboina amin’izao miaina ao anatin’ny hatsiaka sy ny tsy fisian’ny herinaratra. Eo andaniny, mirongatra ihany koa ireo karazan’aretina ateraky ny hatsiaka toy ny aretin-kibo sy ny gripa.

 

Vonona ny hiaro ireo sivily tsy manan-tsiny hiharan’ny herisetran’i Kadhafi sy ireo tafika tarihiny ny firenena tandrefana. Manohana feno izany fanapahan-kevitra izany La Frantsa sy Grande Bretagne ary Etazonia sy ireo firenena roa hafa raha misalasala kosa ireo firenena dimy ambiny. Tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny zon’olombelona izay katsahin’ny rehetra ny hetsika raha mbola tsy fantatra kosa izay karazana fanafihana mety hatao. Nanoloana izany dia nanambara ny fahavononany hidinika indray i Kadhafi raha mbola mitohy kosa ny fanafihana hataon’ireo tafika any amin’ny faritra sasantsasany.

 

Velon-taraina noho ny famindran-toerana nataon’ny fitondram-panjakana azy hanohy ny asany any Antsiranana ny ampahany amin’ireo mpiasam-panjakana nitari-tolona ny volana janoary lasa teo, teo anivon’ny sendikaly iray. Araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ministeran’ny asam-panjakana dia 50 isaky ny enim-bolana ireo mpiasam-panjakana eto an-drenivohitra no tsy maintsy hafindra toerana any amin’ny faritany noho ny tsy fahampian’ny mpiasa. Mety ho endrika hisehoan’ny famaizana mpiasam-panjakana iray ihany koa anefa io famindran-toerana io mialoha ny handroahana azy, araka ny fanazavana azo ihany.

 

Mitaraina noho ny fampifangaroan’ny mpivarotra ilay vary mora hamidy 900 ariary ny kilao amin’ny vary gasy ireo mponina eny amin’iny Kaominina Ampitatafika Atsimondrano iny. Tsy misy tombony ho azy ireo, araka ny vaovao voaray, ny fisian’ilay vary mora mifangaro izay nomarihiny ihany fa tsy mitombo akory no sady ratsy tsiro. 

 

Milamindamina indray ireo mpanao trano eto an-drenivohitra. Nidina hatrany amin’ny 18.000 ariary mantsy ny iray lasaka amin’ny simenitra nanomboka ny herinandro lasa teo raha 22.000 ariary no lafo indrindra. Hatrany am-potony mihitsy no nahatonga ny vidin’ny simenitra hidina tahaka izao araka ny fanazavan’ireo mpivarotra sasantsasany izay mbola nomarihiny fa mbola mety hidina ihany.

 

Sady tsy manana Talen’ny fandaminana ny lafintany no tsy manana Sekretera jeneraly ny Faritra Anosy. Am-bolana no banga ireo toerana ireo, nefa manana andraikitra lehibe amin’ny fandaminana sy fandrindrana ny asan’ny Faritra. Faritra izay anisan’ny misedra fahasahiranana eo amin’ny lafiny maro, indrindra ny sosialy, dia ny tsy fandriampahalemana manjaka amin’iny distrikan’i Betroka iny sy amin’ireo kaominina ambanivolo ao Tolagnaro.

 

 Hiezaka hijery akaiky ny fanomezana rano fisotro madio sy toeram-pidiovana ho an’ireo mponina sahirana ara-pivelomana monina ao La Réunion kely ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Hisy ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa eo amin’ny manodidina araka ny fanazavana azo. Tsiahivina fa efa manohana ireto mponina etsy La Réunion kely ireto amin’ny alalan’ny fanomezana sakafo ny Kaominina mandritra ny 30 andro.

 

Ny 60 %-n’ny lalana mampitohy ny distrikan’i Foulpointe sy Toamasina no potika tanteraka amin’izao fotoana izao. Hatramin’ny niavian’ny rotsak’orana no ho mankaty no nampitombo sy mampitatra ny fahasimbana raha fanapenana tsotsotra fotsiny no nataon’ny ministeran’ny asa vaventy ny taona 2010 lasa teo. Nanambara moa ry zareo eo anivon’ny ministera fa efa am-periny amin’ny fikarakarana ny fotodrafitrasa izy ireo ankehitriny miaraka amin’ireo teknisiana manampahaizana isan-tsokajiny.

 

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny Ambohimanarina teny ny sabotsy alina teo. Araka ny fantatra dia efa-dahy nitondra kalaky no nanafika “épicerie” tsy lavitry ny Tsena teny an-toerana. Tsy milamina, araka izany, ny tany. Miparitaka loatra ny fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny kalaky, ary matetika dia ny madinika no lasibatra.

 

Miaina ao anatin’ny ranon’orana tanteraka ny any amin’ny distrikan’i Mahanoro amin’izao fotoana izao. Ahiana hiakatra avo roa heny ny renirano noho izany raha tsy latsa-danja amin’izany ny ranomasina. Antso avo sy fampitandremana no hataon’ireo tompon’andraikitra amin’ireo mponina any an-toerana, indrindra ireo mipetraka amin’ny faritra iva.

 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT