Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny fizarana ireo “jeton” avy amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra ho an’ireo mpivarotra amoron-dalana teo aloha 500 latsaka nahazo toerana vaovao etsy amin’ny tsenan’Anjoma Analakely. Fepetra takian’ny Kaominina amin’ireto mpivarotra ireto ny tokony hanarahany ny fitsipika mifehy ny asan’izy ireo toy ny resa-pahadiovana…
Azo tanterahina tsara amin’ny volana Septambra ihany ny fifidianana filoham-pirenena eto amintsika araka ny nambaran’ny CENI raha 11 volana no nangatahan’ny Firenena Mikambana. Ny fanavaozana ny lisi-pifidianana hatrany ifotony no raharaha tena maika hoy ireo tomponandraikitra eo anivon’ny CENI.
Nahitana fidinany ny vidin’ny menaka sy ny siramamy hatramin’ny herinandro lasa teo araka ny fanadihadiana natao. Nidina 200 Ar isan-kilao izany ho an’ny siramamy raha 100 Ar kosa ho an’ny lafarinina.
48.000 hatreto ny isan’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana ara-panjakana Bakalôrea ho an’ny eto Antananarivo manokana. Ny 04 Martsa lasa teo raha tsiahivina no nifarana ny fisoratana anarana mikasika izany. Eo am-pikirakirana ny antontan-taratasin’ireo mpiadina ny sampandraharahan’ny Bakalôrea ankehitriny.
Fianakaviana sahirana ara-pivelomana an-jatony monina etsy La Réunion kely no notoloran’ny Kaominina Antananarivo renivohitra trano vonjimaika, izay nasolo ireo trano “sachet” nipetrahan’izy ireo ho fiarovana ny mponina amin’ny ranon’orana indrindra ireo ankizy madinika tsy manan-tsiny.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tao an-drenivohitr’Andapa omaly alakamisy maraina tokony ho tamin’ny 03 ora maraina tany ho any. Olona enina no indray voa mafy vokatry ny fifandonana fiara lehibe roa. Na izany aza tsy nisy ny ainy nafoy.
Raikitra ny hetsika kara-panondro sy kopia faobe any amin’ny distrikan’Antsiranana II. Ny Kaominina ambanivohitra Mahavanona no nisantarana izany ny fiandohan’ny herinandro teo. Haharitra herinandro ny hetsika tafiditra sahady ao anatin’ny fanomanana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hotontosaina ny volana Septambra ho avy io raha tsy misy ny sampona.
Nisaotra ireo nanohana azy ary nanao antso indrindra amin’ireo mbola nisalasala i Camille Vital, mba hanolotra anaran’ireo olona heverin’izy ireo fa afaka hiara-kiasa ao anatin’ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena.
Tsy azo viraviraina ny raharaham-pirenena ary toherina sy helohina ny fisamborana olona noho ny antony politika, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana, izay nanamafy fa handray andraikitra.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.