Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alakamisy 17 Martsa 2011


Kaoperativa efatra no nahazo ny anjara fanampiana ho azy avy amin’ny ATT nanomboka ny talata teo, teny Ampasampito. Fanampiana nandritra ny roa volana no azon’izy ireo dia ny janoary sy ny febroary samy taona 2009 raha mbola miandry kosa ny manaraka. Noho ny fahataran’ny fikarakarana ny taratasy moa no voalaza fa antony nahatonga izao fahataran’ny fanampiana ho an’ny mpitatitra avy amin’ny ATT izao.

 

Mitaraina noho ny fisian’ireo fiara vaventy miisa 12 izay manototra tany amin’ny alina ao amin’ny faritra misy azy ireo mponina ao amin’ny fokontanin’Ankazomanga Atsimo. Manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 6 ora maraina no hitrangan’izany araka ny vaovao voaray. Araka ny fanazavan’ny sefo Fokontany ao an-toerana anefa dia tsy mbola nisy ny taratasy fahazoan-dalana napetraky ny tompon’io tany io teo anivon’ny Fokontany izay marihina fa teratany sinoa, araka ny vaovao voaray ihany.

 

Omaly no nanomboka nizara ny jeton ho an’ireo mpivarotra hivarotra ao amin’ny Tsena hasin’Analakely ireo tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Ao amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano no hanatontosana izany ka jeton manodidina ny 457 isa no hozaraina. Amin’ny alalan’ny antsapaka no hanatanterahana izany. Eo am-piandrasana ireo elo mitovy sy latabatra vaovao fanomezana avy amin’ny Kaominina sisa amin’izao fotoana ireo mpivarotra dia hifantoka tanteraka amin’ny asa hosahaniny amin’izay.

 

Miharatsy hatrany ny fandriampahalemana eny Atsimondrano. Tsy misy izay tsy mitaraina noho ny firongatry ny hala-botry sy ny vaky trano ny Kaominina rehetra, indrindra fa ny eny amin’ny faritr’Itaosy sy Ampitatafika. Ny talata hariva tamin’ny 06 sy sasany ohatra dia tsoka kirioka tsy nifandrenesana no niseho tao Andranonahoatra Itaosy noho ny fisiana andiana mpangalatra maromaro mitily sahady izay trano hovakiany amin’ny alina. Olona sendra nivoaka tampoka avy ao an-tranony no nahatsikaritra izany ka raikitra ny fifanenjehana.

 

Mamely ny ovy any amin’iny Kaominina Vinaninony Atsimo iny, distrikan’i Faratsiho ny lagaly amin’izao fotoana izao. Misy fiantraikany amin’ny fitomboan’ny ovy mivantana izany araka ny vaovao voaray ka mampitaraina ireo tantsaha mpamokatra. Mihena ho antsasa-manila be izao mantsy ny vokatra ovy azo avy amin’ny tany iray hekitara koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny fitondram-panjakana.

 

Nahitana vonoan’olona mahatsiravina indray tany Mahazina Antsirabe tany ny alatsinainy hifoha ny talata lasa teo. Notafihan’ny dahalo ny tokantrano iray. Olona 8 mianaka, dia izy mpivady sy ny zanany 6 mianadahy no notapahana ny lohany ka ny vatany nataony nitandahatra tany ambony rihana ary ny lohany nataony tany ambany. Lasan-dry tsy mataho-tody ny kisoa 18 sy omby 8. Mianadahy sisa velona tamin’ity ankohonana ity, dia ilay tovolahy izay niasa tany amin’ny toerana ivelany sy ny zokiny vavy izay manambady eto Antananarivo izay tsy hita no misy azy satria niova toerana.

 

Taorian’ny nankatoavan’i Frantsay ny mpanohitra any Libia dia nandrahona ny hamoaka ny tsiambaratelon’ny filoha frantsay Nicolas Sarkozy i Saïf Al-Islam, zanaka lahin’i Kadhafi. Nambaran’ity farany fa namatsy vola ny filatsahan-kofidian’i Nicolas Sarkozy ka nahavoafidy azy ny Libiana. Nolazainy moa fa manana porofo amin’izany izy ireo raha ilaina. Nitaky ny hamerenan’ny filoha frantsay izany vola izany amin’ny vahoaka libiana izy ireo.

 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT