Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alakamisy 10 Martsa 2011


Nampanantena ny tsy hanenjika ny filoha Libiana Kadhafi eo anoloan’ny fitsarana ireo mpanohitra any an-toerana raha toa ka manaiky ny hiala amim-pilaminana sy ny tsy hijanona any amin’ity firenena ity io filoha io. Na izany aza anefa tsy mbola nampiova na inona na inona tany an-toerana ny fisian’io fanambarana io. Mitohy hatrany ny fangalana an-keriny ireo tanàna votsotra teo am-pelatanan’ny fitondrana ary lasan’ny mpanohitra. Olona 21 indray, araka ny vaovao voaray, no namoy ny ainy ny alahady lasa teo tany an-toerana.

 

Ho fantatra amin’ny volana aprily ho avy io raha tsy misy ny sampona ny daty ofisialy hanombohan’ny taom-pianarana 2010-2011 eny anivon’ny anjerimanontolo. Amin’ny alalan’ny fivoriana hotontosain’ny filohan’ny oniversite enina sy ny ministera no hanapahana izany. Marihina moa fa efa saika vita avokoa ny fanadinana fifaninanana notontosain’ny mpianatra teny amin’ity sekoly ambony ity ary efa nivaly avokoa ny ankamaroan’izany.

 

Sekoly tsy miankina maro mampiasa ny teny frantsay eto an-drenivohitra no nanamarika ny fetin’ny talata matavy ny talata 08 martsa, nifanindran-dalana tamin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy. Filaharam-be noravahan’ny fanamian’ireo olo-malaza nisaloran’ny mpianatra no nentin’ny sekoly Fanoela nanamarihana izany hetsika niampita avy hatrany any amin’ny fialan-tsasatry ny mpianatra izay haharitra herinandro.

 

Velon-taraina noho ny hamafisan’ny fiantraikan’ny krizy amin’ny sehatra hiasany sy hivelomany ireo tranombarotra lehibe eto an-drenivohitra. Voakasik’izany manokana ireo mpivaro-damba. Araka ny fantatra mantsy dia tsy mahalafo afa tsy pataloha roa sy lamba iray metatra sisa izy ireo isan’andro raha avo zato heny noho izany teo aloha. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpaka maro any amin’ny faritany izay tsy nisy nipoitra intsony.

 

Ny alatsinainy lasa teo no nigadona tany Toliara ilay sambo nitondra ny anjara vary mora ho an’ny faritra atsimon’ny Nosy milanja 5.000 taonina. Mbola mandalo fanaraha-maso ny vary ankehitriny mialoha ny hanaparitahana azy eny an-tsena. Milamina hatreto ny fikarakarana, araka ny vaovao voaray.

 

Na dia vao andro vitsy lasa aza izay no nanaovan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra ilay hetsika fanadiovana faobe nanerana ireo fokontany 192 eto an-drenivohitra dia efa saika tazana miparitaka eny rehetra eny sahady indrindra eny amin’ireo faritra takona ireo karazam-pako sy diky be dia be. Tokony hisy noho izany ny fanaraha-maso mba hisorohana ny fofona tsy hiparitaka sy hitandroana ny fahasalamam-bahoaka.

 

Siramamy milanja 11.800 taonina no fantatra ankehitriny fa tratra vokatr’ilay fanapahan-kevitra noraisin’ny ministeran’ny varotra mikasika ny tsy fahafahany mivoaka any ivelany intsony. Mba ho fitsinjovana ireo mpanjifa eto an-toerana no antony, fanapahan-kevitra noraisina izay marihina fa tsy hihoatra ny enim-bolana araka ny fanadihadiana natao.

 

Navoakan’ny olona tao amin’ny biraony ny lehiben’ny Fokontany noho ny hatezerany. Nolazain’izy ireo fa mitanila ingahy prezida. Soa fa tonga malaky ny polisy nandamina ny raharaha. Mbola tohin’ilay Tsena Moran’Anosipatrana ihany izany.

 

Maro ny karazana fifanarahana na fanapahan-kevitra politika nosonivina teto Madagasikara, izay saika tao amin’ny Centre de Conférence Internationale Ivato avokoa. Sambany no natrehana masoivohom-pirenena vahiny izany. Ireo izay tonga teny Ivato anefa dia maro no nanamarika fa nasaina izy ireo ka tonga fa tsy midika ho fankatoavana azy iny izany.

 

Tsy nandefa solontena tamin’ny fanaovana rangopohy ny sori-dalan’ny Dr Simao ny masoivohon’ireo firenena vaventy toy ny Amerikana, Alema, Soisa, Norvezy …Tsy teny Ivato ihany koa ny ambasadaoron’i Alzeria sady zokiolona amin’ireo diplaomaty vahiny miasa eto, fa naleony nandray ny delegasion’ny Ankolafy Telo tao amin’ny birao fiasany tetsy Behoririka.

 

Nihaona omaly ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filoha mozambikana teo aloha sady lehibe mpitarika ireo mpanelanelana vahiny, Joaquim Chissano. Manodidina ilay sori-dalana handaminana ny krizy eto Madagasikara no votoatin’ny fihaonana.

 

Hisy ny fivorian’ireo filoham-pirenena mivondrona ao amin’ny SADC ny 18 martsa ho avy izao. Hodinihina mandritra izany ny raharaha Madagasikara, indrindra ilay sori-dalana naroson’ny Dr Leonardo Simao tamin’ny mpanao politika hatao rangopohy omaly. Amin’izay no hamantarana izay firafitra farany, izay hevitry ny SADC na hankato na tsia azy iny.

 

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT