Manome 48 ora ireo toeram-pivarotana sakafo masaka madinika eto an-drenivohitra ny kaominina Antananarivo renivohitra mba ahafahan’izy ireo miroso amin’ny asa fanadiovana manara-penitra. Saika tsy nanara-dalàna avokoa mantsy ny 50%-n’ireo toeram-pivarotana hani-masaka nanaovan’izy ireo fisafoana, araka ny vaovao voaray. Na izany aza, mbola nisy ny torohevitra nomen’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny BMH azy ireo hatramin’ny omaly, izay mety hihafara amin’ny fanakatonana mihitsy ho an’ireo izay minia manapin-tsofina.
Mpamokatra horonantsary maromaro no niala tsy ho mpikambana eo anivon’ny OMDA intsony ary nanangana ny OM7. Noho ny fahatsapan’izy ny tsy fahazoany akory ny tombontsoany mikasika ny fiarovan’ny OMDA ny zon’ny mpamorona no nahatonga izany. Nanambara moa ny tale jeneralin’ny OMDA fa tsy mampaninona azy ny fisian’izany saingy ny ministera tompon’andraikitra kosa no tompon’ny teny farany. Hisy ny fihaonana eo amin’ny telo tonta anio hijerena sy handinihina akaiky ny mikasika izany.
Nisokatra ny alatsinainy teo ny fitsarana ny filoha frantsay teo aloha Jacques Chirac mikasika ny fanomezany karama ireo olona 28 isa izay tsy niasa akory teo anivon’ny lapan’ny tanàna. Ankoatra izay dia anisan’ny anenjehana ity filoham-pirenena Frantsay teo aloha ity ihany koa ny fanodinkodinam-bola nataony izany mitentina 58 tapitrisa Euro.
Nahemotra omaly talata raha tokony ho notontosaina ny alatsinainy, ny fihaonana teo amin'ny ministry ny fitaterana sy ny sendikan’ny fitaterana. Fihaonana izay niompana tamin’ny fandinihina mikasika ilay fanampiana takian’ity sendika ity ireo mpanao fitaterana eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra. Ny lalàna mifehy ny fitaterana amin’ny ankapobeny ary ny fiantraikan’ny vidin-tsolika eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena eto amintsika no anton’ny fihaonana.
Tompon’andraikitra avy amin’ny firenena folo no manamafy ny fahaiza-manaony amin’ny ady atao amin’ny tazomoka, etsy amin’ny Institut Pasteur, hatramin’ny alatsinainy 07 martsa lasa teo. Haharitra iray volana sy tapany izany fiofanana izany, ahafahana mamongotra hatrany ifotony ity aretina ity, indrindra fa ho an’ny vehivavy sy ny ankizy. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asam-panjakana tontosaina eto amintsika izany fiofanana izany. Na izany, aza marihina fa tsy isan’ireo aretina mamono olona intsony ny tazomoka eto amintsika.
Olona fito indray no namoy ny ainy ny alatsinainy teo tany amin’ny tanàna iray any Libie raha 58 hafa no naratra mafy. Tamin’ny alalan’ny fanongotan’ireo tafika Libiana ireo tanàna efa votsotra tany am-pelatanan’ireo mpanohitra no nahatonga izao famoizana ain’olona maromaro izao. Nanamarika moa ireo mpanohitra fa tsy amelany raha tsy azony ny fandresena.
Roso amin’ny asa fanadiovana ny faritra misy azy ireo mponina ao amin’ny fokontanin’Ampefiloha afovoany, tarihin’ny voamiera sosialy eo anivon’ny fokontany, taorian’ny fidonafan’ny fofona aterak’ireo maloto ataon’ny mpandalo eny amin’iny faritry ny lalamby iny ka hatreny amin’ny “station de pompage”. Ny madarail no namatsy vola ny asa raha amin’ny alalan’ny asa tana-maro kosa no anatontosana izany.
Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notontosaina tao amin’ny Fjkm tampon-tanàna no nentin’ireo fikambanam-behivavy any Mandoto nanamarihana ny andron’ny 08 martsa omaly talata. Fotoam-pivavahana izay nitondrana am-bavaka manokana ny vehivavy sy ny firenena, noho ny lalan-tsarotra lalovan’ny firenena.
Vehivavy mpino advantista an-jatony no indray nifarimbona nanadio ny tsena sy ny hôpitaly tao an-drenivohitr’i Nosy varika omaly talata 08 martsa, nentina nanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy. Nanampy sy nanohana azy ireo tamin’izany ireo lehilahy tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay samy nidera sy nampahery ireto vehivavy mpino ireto noho ny herim-po sy ny finiavana nasehony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.