Tsy avelan’ny vehivavin’ny ankolafy telo (Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana) handalo fotsiny ny fankalazana ny andron’ny vehivavy eran-tany, ny 8 martsa. Homarihan-dry zareo amin’ny alalan’ny fambolen-kazo izany anio. Ny toerana eny Imerinkasinina Ambohiboahangy no nofinidian’izy ireo hanatanterahana izany hetsika izany.
Any Mahajanga hatry ny omaly ary namory tompon’andraikitra amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa tao bloc Administratif ao Ampisikina ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny jeneraly Dolin Rasolosoa. Nitondrany fanazavana mikasika ny raharaham-pirenena ankapobeny. Nisy ihany koa nandritra io ny fifandotoana teo amin’ny samy mpiasam-panjakana, ka nisongadina tamin’izany ny fifanalam-baraka imasom-bahoaka nataona tompon’andraikitra ao amin’ny hopitalin’Androva.
Tafakatra 34 ny isan’ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Bingiza, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC raha 70.000 ny traboina. Mbola nisy hatramin’ny faran’ny herinandro teo ny fanampiana avy amin’ny fitondrana FAT natolotra azy ireo, araka ny vaovao voaray.
Niampy 400 mahery ireo Polisy manana fahafahana mitarika sy mandrindra famotorana amina raharaha iray mandalo eo anivon’ny Polisim-pirenena. Omaly no nanao fianianana teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny teto Antananatiro raha efa ny zoma hariva teo ny tao Toamasina izay nisy 39. Taloha dia “officier” sy Kaomisera ihany no afaka nanao io asa io, dia izao nitarina amin’ny ‘inspecteur’ izao.
Samy hanana ny fomba hanamarihany ny fetin’ny 08 martsa, andro maneran-tany ho an’ny vehivavy anio ireo fikambanam-behivavy manerana ny Nosy. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana dia etsy amin’ny La Rotonde Besarety no hifamotoana ireo fikambanam-behivavy maro, hetsika hanehoan’izy ireo ny sangan’asany sy ny mampiavaka azy avy. Marihina fa andro tsy fiasana nefa andraisan-karamana ny andron’ny 08 martsa araka ny didim-panjakana 2011-012 noraisin’ny governemantan’ny tetezamita.
Ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy ihany dia manao hetsika ny Mpanazava sy Tily eto Madagasikara MTEM sy ireo komitim-pivondronana KOPA faritra Antananarivo etsy amin’ny Kianja mitafon’ny mahamasina anio. Hanomboka amin’ny valo ny fotoana ary hifarana amin’ny folo ora maraina.
Ambanja no safidin’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara, tarihin-dRtoa Saraha Georget Rabeharisoa hankalazana ny 8 martsa, Andron’ny vehivavy raha any Maroantsetra no hatao ny fankalazana nasionaly. Omaly dia nisy ny fizarana torohay momba ny lalàna nataon’ny Maitso tao Mampikony.
Tsy mbola nahitam-bokany hatramin’izao ny mikasika ireo dokotera mitsoaka an-daharana tsy mety hanohy ny asany any amin’ny distrikan’i Sainte-Marie. Eo an-danin’izay anefa dia mirongatra izaitsizy ny kohaka sy ny gripa, indrindra taorian’ny nandalovan’ny rivodoza Bingiza.
Mirongatra ny halatra kisoa eny amin’iny faritr’Itaosy sy ny manodidina iny. Kisoa roa izay samy milanja 200 kg no lasibatry ny mpangalatra ny faran’ny herinandro teo tao Antsavatsava. Nalain’ireo olon-dratsy tao am-bala ny kisoa ary novonoiny tao amin’ny faritr’ilay tanàna ihany. Rehefa izany dia notetehiny ny hena ka ny ra nandriaka sy ny tsinain’ny kisoa niparitaka eran’ny tokotany sisa no nahafantarana fa efa tsy tao amin’ny toerany intsony ireto biby fiompy ireto.
Andro lehibe ho an’ny vehivavy ary mendrika ankalazaina, hoy i Monja (Valiha) sy i Jaojoby ny andron’ny vehivavy. Ho fankalazana izany anio dia miarahaba ny vehivavy rehetra tsy ankanavaka ireo mpanakanto ary mirary soa azy ireo avy. Anisan’ny vehivavy mpitarika sy sahy mijoro kosa i Hanitra (Tarika B). Miarahaba manokana ny vehivavy toa azy ihany koa ny tenany ary mankahery azy ireo amin’ny zavatra ataony rehetra. Fanomezana hafa kely kosa no hatolony amin’izao fotoana dia ilay raki-tsary miendrika DVD HD mitondra ny lohateny hoe “Live in Lugano”
Fambolena zana-kazo eny amin’ny vohitra “Arc-en-ciel” Ambalavao, Atsimondrano no hanamarihan’ny vehivavy MAZOTO (Vehivavy MAlagasy Zo maha Olona no TOavina) ny andron’ny 08 martsa. Isan’andro isan’andro dia miady amin’ny zo maha olona ho fanafahana ny vehivavy sy ny ankizy ny Fikambanana. Ny hampiharana mivaingana izany zo maha olona izany no tanjona imatimatesany.
Mpivarotra efatra no nalana tamin’ny toerany eo amin’ny Zaimaika Analakely. Araka ny fanadihadiana natao dia mahandro sakafo fotsiny sisa no ataon-dry zareo ao fa any amin’ny toeran-kafa mihitsy izy ireo no mivarotra. Nisy nahatsikaritra izany fihetsika izany ka nahatonga ny tompon’andraikitra hanala azy ireo. Araka ny fantatra dia fivarotana hani-masaka toy ny vary amin’anana, vary maina sy laoka, kafe sy dite... no atao ao amin’io tsena io.
Mampimenomenona ny olona mihitsy ny fomba fiasan’ny Jirama ankehitriny. Eo aloha ny filaharana amin’ny fandoavana ny vola. Ao koa ny fanapahana avy hatrany ny kaontera raha vao dila ny fotoana ka tonga ny mpanatitra faktiora izay izy ihany no manapaka azy. Raha tapaka amin’iny anefa dia elabe vao tafaverina ary asainy mivezivezy ianao. Fa misy tranga hafa koa toy ny eny Antanetikely Ambohijoky Atsimondrano. Misy andrin-jiro hazo efa lo ny fanambaniny. Tsy soloany iny fa esoriny fotsiny ny faritra lo dia iny ihany no averiny eo ka efa fohy kely sisa ilay andry izay mampimenona ny olona. Ny any Antsirabe koa dia hafa mihitsy. Amin’ny antoandro mirehitra ny jiro fa amin’ny alina maty. Ny jiro manazava ny lalana io.
Mampimenona ny mpanjifa amin’ny fokontanyAmpanataovana Talata volonondry iny ny vary mora any an-toerana. Afindran’ny mpivarotra amin’ny gony hafa ilay vary hamidy 900 ariary dia amidiny 1200 ariary avy eo ny iray kilao. Miantso ny tompon’andraikitra, araka, izany ny any an-toerana mba hijery akaiky ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.