Eo ampanadiovana ilay taratasy, mampahafantatra ny zava-misy sy mirakitra ny tolo-kevitry ny ankolafy telo hivoahana amin’ny krizy, haterina any amin’ireo masoivohom-pirenena vahiny ny Ankolafy telo. Hivory hamarana izany ireto farany amin’ity anio ity, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Amin’ny fiandohan’ny herinandro iny no hanaterana io taratasy io.
«Nitsaha-niketrika ve ny hetsiky ny SECES eny Ankatso ?”, hoy ny fanontanian’ny maro taorian’ny fahataperan’ny fampitandremana ho an’ny fitondrana FAT tamin’ny fiandohan’ny herinandro ireny. Nahatonga taratasy fampilazana eto amin’ny gazety nosoniavin’ny filohany ny hanatontosana ny fivoriamben’ny sampana SECES Antananarivo ny alatsinainy 7 martsa 2011 izao amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny Amphi 24 FLSH ny tompon’andraikitra. Amin’io andro izany no ahafantarana ny ho tohin’ny tantara.
Handray fepetra ny FAT manoloana ny fiakaran’ny vidin-tsolika farany teo. Araka ny fantatra dia hoferana amin’ny alalan’ny didim-pitondrana ny vidin’ny solika, ka farafaharatsiny dia hotazonina amin’ny vidiny amin’izao fotoana. Efa nisy ny dinika tamin’ireo mpandraharaha amin’ny solika, mizotra amin’izay fifanarahana izay, araka ny fanazavan’i Mamy Ratovomalala, ministry ny harena ankibon’ny tany.
Mitohy ny asa fanadiovana sy fitsirihana ireo toerana maro eto an-drenivohitra tontosain’ny kaominina. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa izay hotontosain’izy ireo ny fandrarahana ranom-panafody isan-tokantrano, hiarovana ny mety ho fiparitahan’ireo valanaretina maro samihafa, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao.
“Izaho malahelo amin’ny fahalalako ny raiamandreny Zafy Albert”, hoy Atoa Rakotomavo Alain, sekretera jeneralin’ny antoko Leader Fanilo nilaza ny heviny mikasika ny fanambarana nisy teny Ivandry tamin’ny alarobia teo. “Mahagaga ihany raha amin’izao Repoblika faha-4 efa tafatsangana izao no izy indray no andeha hidina an-dalambe hiverina hilahatra, mahagaga !”.
Tsy mandray zaitra intsony ny ankamaroan’ireo mpanjaitra ao an-drenivohitr’i Maintirano, Faritr’i Melaky amin’izao fotoana izao. Noho ny hamaroan’ireo fikambanam-behivavy tonga mampanjaitra fanamiana no voalaza fa antony mahatonga izany, fanamiana hisalorana sy hanaovana mandritra ny tontolo andron’ny 08 martsa, andro maneran-tany ho an’ny vehivavy.
Notokanana tamim-pomba ofisialy omaly tao an-drenivohitr’Ihosy, faritra Ihorombe ny trano natokana ho an’ny zokiolona. Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny ministry ny mponina Nadine Ramaroson, notronin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana.
Fambolen-kazo rodobe no hisantaran’ireo fikambanam-behivavy any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahavelona Foulpointe ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny vehivavy ny 08 Martsa ho avy io. Arahina filaharam-be mamakivaky ny tanàna ny hetsika mialoha ny fandraisam-pitenenana hataon’ireo manampahefana.
“Mampalahelo ny fanambarana nataon’ny Pr Zafy”, hoy ny filohan’ny antoko Matsilo, Ranjivason Jean Théodore, “satria ratsy fiafara izy. Ny olona rehetra mitady izay hanafaingana ny fivoahana amin’ny krizy, izy mamboly korontana vaovao. Olona tsy vonona hampandroso ny firenena ny tahaka izany”.
Trano iray misy rihana efatra etsy ampitan’ny Havana 67ha no voatery noravan’ny Kaominina omaly tolakandro. Araka ny fanazavan’ny talen’ny kabinetran’ny Kaominina, ny kaomisera Rabeharisoa Alexandre dia sady tsy nisy fangatahana fanorenana no tsy nisy fanomezan-dalana hanorina ity trano ity. Efa nomena fampitandremana in-droa miantoana ihany koa ny tompony araka ny fanazavany hatrany nefa mbola nanohy ny fanorenana ka niakatra hatrany amin’ny rihana faha-4. Misy koa ny fitarainana avy amin’ireo manodidina. Misy lalàna mifehy ny fanorenana, tsy maintsy arahina, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.