Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alakamisy 03 Martsa 2011


Tsy mandry fahalemana ny mponina any amin’ny distrikan’i Fenoarivobe any. Nitrangana asan-dahalo namoizana ain’olona iray tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambatomainty atsimo ny faran’ny herinandro teo. Rehefa nanjavona ny omby tao an-tanàna dia raikitra ny fanarahan-dia ary tafaverina soa aman-tsara ny omby. Rehefa niverina anefa ireto farany dia nisaraka ka ny ampahany voalohany niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana raha nandeha irery kosa ny ampahany faharoa. Tamin’izay indrindra no nanao tapody niverina ireo dahalo mpangalatra ka maty notifiriny tamin’izany ny lehilahy iray ary nentiny nitsoaka ny basy izay mba hany fiadiana teny amin’ireo farany.

 

Nanokana ora iray fahanginana, nitondrana am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin’ireo olona namoy ny ainy vokatry ny horohorontany nitranga tany Nouvelle Zélande ny herinandro lasa teo ireo tomponandraikitra any an-toerana afak’omaly. Raha tsiahivina mantsy dia nahatratra 240 ireo olona namoy ny ainy tany an-toerana, horohorontany nitovy hery tamin’ilay nitranga tany Nouvelle zélande ny taona 2001.

 

Raikitra ny fisamborana ny mpanohitra any Iran. Noraofin’ny mpitandro ny filaminana  avokoa afak’omaly ireo mpanohitra nidina an-dalambe mikasa ny hanala ny filoham-pirenena amin’ny toerany. Mihahenjana ny fifandroritana misy eo amin’ny roa tonta noho izany. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy ny herisetra goavana toy ny mitranga ao Libya.

 

Milaza ho gaga amin’ny tsy fanohanan’ny firenena tandrefana azy ny filoha Libiana Kadhafi. Aminy mantsy dia ara-dalàna avokoa ny fihetsika nataony sy ireo pomba azy izay nambarany fa tsy fikasana ny hamono olona akory fa mikendry ny hanafoana ireo mpampihorohoro izay ao ambadik’izao asa fanonganana azy amin’ny toerany izao. Raha ny tarehimarika navoakan’ny firenena mikambana aloha dia efa tafakatra iray hetsy ny isan’ireo olona namoy ny ainy tany Libya hatramin’izao.

 

Niverina nikatso indray ny fampianarana eny anivon’ny sekoly ambaratonga ambony. Nisy tamin’ireo fanadinana fifaninanana notontosaina teny an-toerana mantsy no tokony ho nivaly afak’omaly talata ny valiny saingy noho ny fitohizan’ny disadisa misy eo amin’ireo mpampianatra mpikaroka sy ny fitondram-panjakana dia tsy nivaly izany.

 

Efa miarina tsikelikely araka ny vaovao voaray ny valan-javaboarin’Isalo taorian’ny fahamaizana nihatra taminy volana maromaro lasa izay. Tany mirefy 22.000 ha no lasibatra raha tsiahivina ankoatra ireo biby zava-manan’aina toy ny biby mivelona ao aminy. Anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’ny fanarenana ity valan-javaboary ity ny Madagascar National Parc. Zana-kazo an-jatony no natsatok’ity sampandraharaha iray ity tany an-toerana ny herinandro lasa teo entina hanatevenana ireo hazo efa maniry.

 

Hahazo ilay tetikasa vary mora ihany koa ny kaominina Fenoarivo ato ho ato. Aman-taoniny no vary ho azon’ity Kaominina ity araka ny vaovao voaray entina hanampiana sy hanohanana ireo sahirana ara-pivelomana. Tsiahivina moa fa efa miaina tanteraka ao anatin’ny tsena mora ity kaominina ity amin’izao fotoana raha tsy mbola nahazo ny anjarany kosa ny kaominina Ampitatafika.

 

Araka ny fantatra dia efa nilamina ny disadisa teo amin’ny mpampianatra fanatanjahantena ara-dalàna (professeur qualifié) sy ireo tsy miankina lazaina fa tsy ara-dalàna mampiasa ny fotodrafitrasa ao amin’ny tambohoben’i Mahamasina. Manangambovona indray anefa ireto milaza ho ara-dalàna ireto. Mandrahona ny mpianatra hanala baka izay tsy ampianariny izy ireo : “ho hitan-dry zareo ny hahazo ny mpianatra hanala baka”, hoy izy ireo. Mety ho vokatry ny tsy fahazoan’izy ireo mpianatra angamba ny antony. Izao ilay hoe “tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany”.

 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT