Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alarobia 02 Martsa 2011


Mitaraina noho ny tsy fahampian’ireo karazan’entana azo vidina eny anivon’ny Tsena Mora ireo olona voasokajy ho tena sahirana nizarana ny karatra manga eo anivon’ny kaominina ambanivohitra Fenoarivo, Atsimondrano. Mihena an-toerana toy ny fen’antitra hatrany mantsy izany, araka ny vaovao voaray, indrindra fa ny menaka sy ireo karazana kojakoja maro samihafa fampiasa amin’ny fiainana andavanandro.

 

Tsy voafehin’ny mpitondra any Libia intsony ny zava-mitranga any an-toerana amin’izao fotoana. Mitombo isa hatrany mantsy ireo faritra votsotra eo am-pelatanan’i Kadhafi. Vahoaka amina tanàna iray indray afak’omaly no tapa-kevitra ny hanohana ireo mpanohitra any Libia. Nahazoana vaovao mihitsy fa hanafika tsy ho ela an’i Tropolia, toeram-pamaharan’ireo mpomba an’i Kadhafi sy ny tafika izy ireo ato ho ato.

 

Tsy hanomboka araka izay heverin’ny maro azy velively ny fampianarana eny anivon’ny sekoly ambaratonga ambony raha tsy mivaly ny fangatahana nataon’ireo mpampianatra mpikaroka mivondrona ao amin’ny SECES amin’ny fitondram-panjakana. Vao ny ampahany tamin’ireo fangatahana nataon’iretsy voalohany ihany mantsy no voavaly, araka ny vaovao voaray.

 

Hakarina hatrany amin’ny 17% ny tambin-karaman’ireo mpiasa mikarama farany ambany, indrindra eo anivon’ireo orinasa tsy miankina eto amintsika raha 8% kosa izany ho an’ireo efa be karama. Nandritra ny fivoriana notontosain’ireo sendikan’ny mpiasa sy ny solontenan’ny mpampiasa no nahafantarana izany ny faran’ny herinandro teo. Izany no natao moa araka ny fanadihadiana natao dia ny mba hahafahana manafoana ny elanelana be loatra misy eo amin’ny tambin-karama raisin’ireo mpiasa eny anivon’ny sehatra tsy miankina.

 

Mihafongana hatrany ny ala honko any amin’ny Faritra Sofia. Noho ny hetraketraky ny mponina any an-toerana sy noho ny fisian’ireo karazan-trondro an-dranomamy mankafy ity karazana zava-maniry ity no mahatonga izany araka ny vaovao voaray. Manoloana izany indrindra dia tonga namboly ala honko tany an-toerana ny ministeran’ny jono ny faran’ny herinandro. Velaran-tany 3 ha no rakotra, nandraisan’ireo hery velona isan-tsokajiny any an-toerana anjara.

 

Eo am-panaraha-maso ny fizotry ny famoahana ny tambin-karaman’ireo mpampianatra FRAM mandalo eo ambany fanaraha-mason’ny ministeran’ny teti-bola ankehitriny ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny solontenan’ireto mpampianatra FRAM ireto. Mbola marobe amin’izy ireo mantsy no tsy nandray ny tambin-karamany nandritra ny efa-bolana izay efa nanomboka ny volana novambra taona 2010 lasa teo.

 

Tsy eny anivon’ny Fokontany ihany amin’izao fotoana no ahitana ireo vary mora hamidy 900 Ar ny iray kilao fa efa hita eny an-tsena ihany koa. Na izany aza anefa mbola maro amin’ireo mpivarotra no mandany ny vary nalainy tamin’ny vidiny lafo ary hamidy lafo mialoha ny hivarotany ny vary. Ny antony dia ny mba tsy hampihitsoka ny entan’izy ireo izay marihina fa misy volabe mihodina ny ankamaroany.

 

Afak’omaly hariva, araka ny vaovao voaray, vao niverina ny herinaratra ao amin’ny fokontanin’Analamahitsy tanàna raha efa ho herinandro rahampitso no nahatapahany. Noho ny fahaverezan’ireo tariby mitondra ny herinaratra no voalazan’ny JIRAMA fa antony mahatonga izany izay tsiahivina fa mirongatra dia mirongatra tokoa tato ho ato. Ireo mponina ao amin’ny fokontanin’Ambohitrarahaba indray ankehitriny no mandimby ny toeran’Analamahitsy tanàna. Araka ny vaovao voaray mantsy dia tapaka ora iray isan’andro ihany koa ny jiro andro vitsivitsy lasa izao, izay manomboka amin’ny 07 ora hariva matetika.

 

Olona feno 18 taona miisa 56 monja no tonga nandray anjara tamin’ilay fanamboarana kara-panondro maimaim-poana notontosaina tany amin’ny distrikan’i Manja afak’omaly alatsinainy. Noho ny rotorotom-piainana sy noho ny tsy fahampian’ny fanentanana amin’ny ankapobeny no antony nahatonga izany. Na izany aza mbola hitohy hatrany ny hetsika, araka ny vaovao voaray, hahafahan’ireo olom-pirenena feno 18 taona mandray anjara amin’ireo karazana fifidianana hotontosaina eto amin’ny firenena.

 

Tamin'ny 26 febroary 2011 tamin'ny 12 alina teny amin'ny route By Pass dia nisy fiara iray avy any Iavoloha handeha ho any Ambohimangakely. Rehefa nahatazana ny barazin'ny zandary io fiara io dia niverina any Iavoloha. Rehefa nanao tifi-danitra ny zandary dia navilin'ny mpamily any amin'ny trottoir ilay fiara ka tratra teo ny Mazda an'ny kaoperativa FIFIMAVA. Telo ny olona tao anatiny, ny mpanampy ny mpamily no nitondra ny fiara. Ny tobin-janaparitry ny zandarimaria Alasora no manao ny famotoranana.

 

Nahatratra 3000 ny isan’ireo zaza vao teraka ka hatramin’ny 18 taona nahazo ny kopia mari-pahaterahana raha 1000 kosa ireo nahazo ny kara-panondrom-pirenena tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Kaominina 7 amin’ireo 18 isa misy no nanaovana ny hetsika nanomboka ny 11 ka hatramin’ny 25 Febroary lasa teo.

 

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT