Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Talata 01 Martsa 2011


Hamboarina ny kianja fanaovam-baolina ao Mahanoro. Hasiam-panarenana ihany koa ny tranompokonolona ho fanomezana fahafaham-po ny vahoaka. Nandritra ny fivoriana notarihin’ny lehiben’ny distrika tany an-toerana no nahafantarana izany ny faran’ny herinandro teo.

 

Naresaka ny fankalazana ny andron’ny sekoly teknika tany amin’ny faritra DIANA. Hetsika maro samihafa izay saika niompana tamin’ny fitadiavam-bola avokoa no nentin’ireo mpianatra isan-tsokajiny nanamarihana izany, araka ny vaovao voaray. Entina hanomanana ny voyages d’etude izay hotontosaina amin’ity taona 2011 ity moa amin’ny ankapobeny ny antony nanatontosana izao hetsika fitadiavam-bola izao. Telo andro no naharetany.

 

Tonga nitsidika ny Filohan’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita, ny Jeneraly Rasolosoa Dolin, tetsy Anosikely omaly ny delegasiona sinoa avy amin’ny Fikambanan’ny Mpandraharaha MCA (China Mobile Communication Association) izay notarihin’ny Filoha lefitr’ity fikambanana ity, Jiang Dhena. Tonga eto amintsika moa ireto delegasiona ireto mba hanampy an’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ho fampandrosoana ny firenena eo amin’ny sehatry ny fifandraisana. Manokana vola mitentina 150 lavitrisa dolara i Chine ho fampandrosoana an’i Afrika, ka fanirian’ireto mpandraharaha ireto ny mba ahazoan’i Madagasikara ny anjarany amin’izany tetibola izany.

 

Mbola lany ho filohan’ny Antenimieran’ny varotra any amin’ny faritra Amoron’i Mania ihany Andriamananjatoarivo. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifidianana izay nahazoan’ity tomponandraikitra ity vato 13 tamin’ireo 15 isa tonga nifidy. Tsiahivina fa isaky ny roa taona no fanatontosana ity fifidianana eo anivon’ny antenimieran’ny varotra ity.

 

Nisy asan-jiolahy nitranga tao Tsivory, distrikan’Amboasary ny alin'ny 31 janoary hifoha 01 febroary 2011. Maty tamin’ny izany ny “Percepteur” mpisolo toerana mivady, ary voalaza fa very avokoa ny vola tao an-tranon'izy ireo. Rehefa nandeha ny fikarohana ny nahavanona ny fanafihana dia olona 3 no voasambotry ny zandary ka rehefa natolotra ny fampanoavana dia nampidirina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan'i Taolagnaro.

 

Tratran'ny fitsaram-bahoaka ny tovolahy iray antsoina hoe Herman, 31 taona, rehefa avy tratra ambodiomby nanagalatra “lecteur CD” sy lelavola telo hetsy ariary. Voalaza fa notetehin'ny olona izy io. Nalain'ny fianakaviany ny razana. Tao Ambonara Nosy-Be Hellville no nitranga ity loza ity ny 24 febroary 2011.

 

Nosakanan'ny dahalo tao Ambararatabe, distrikan’i Tsiroanomandidy ny omby miisa 26 handeha hamonjy fodiana ka lasan'izy ireo avokoa ny 24 febroary 2011 tamin’ny 4 ora hariva. Avy hatrany dia niantso ny miaramila DAS (Détachement Autonome de Sécurité) ao Ambatoatrano ny Fokonolona hanara-dia ny mpangalatra. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta ka vaky nandositra ireo dahalo ary telo ny Fokonolona naratra. Tafaverina tamin’ny tompony avokoa ny omby rehetra.

 

Mirongatra ny halatr’omby any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Taolany miaraka amin’ny volony hatrany sisa mazàna no hita any anaty kirihitr’ala aorian’ny fanarahan-dia ataon’ny fokonolona. Eo an-danin’izay, avotsotry ny mpitandro ny filaminana fotsiny, araka ny vaovao voaray ireo mpangalatra tratra nimatimatesan’ny fokonolona.

 

Olona telo be izao no indray namoy ny ainy tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Mahambo, faritra Analanjirofo ny faran’ny herinandro teo. Niady vovo izy ireo araka ny vaovao voaray. Ny iray no lasa aloha ary navotan’ny iray. Samy tsy nisy nipoitra anefa izy roalahy ireto ka navotana olana hafa iray indray saingy samy tsy nisy niara-nipoitra intsony izy telo.

 

Mikaikaika ny mpanjifa vary mora ao Moramanga. Afindran’ireo mpivarotra amin’ny gony hafa mantsy ireo vary amidy 900 ariary ny kilao, avy eo dia amidiny 1400 ariary. Manao antso avo amin’ny mpitondra izy ireo, araka izany mba hanara-maso ity vary ity satria toa ny manana ihany no miha manana.

 

Miampy telo volana indray ny fampiatoana ny asany ny Ben’ny tanànan’Akaraobato Guy Maxime Ralaiseheno. Ny 26 febroary teo no nanatanterahana izany ary ny praiministra lehiben’ny governemanta Camille Vital mihitsy no nanasonia ny taratasy.

 
 

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT