Miomana fatratra amin’ny fiavian’ny rivodoza ny any amin’iny faritra Vatovavy Fitovinany iny. Nisy ny fivoriana niarahan’ny Kaominina sy ny birao mpandinika ny asa fanamboarana ireo fotodrafitrasa tany an-toerana afak’omaly nandinihina manokana mikasika ny asa fananganana fotodrafitrasa manara-penitra mahatanty rivodoza. Tafiditra ao anatin’izany ny tafon-trano, ny rindrina, ary indrindra ny fototra. Roa andro no naharetan’ity dinika narahina fihaonana ity izay hifarana anio.
Ifampitadiavana ny vary any amin’ireo Kaominina efatra lasibatry ny rivodoza Bingiza any amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Tafakatra 500 Ar ny iray kapoaka raha tsy latsa-danja amin’izany ireo kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro toy ny labozia sy ny menaka ary ny voamaina. Tonga nijery ny zava-misy vokatry ny rivodoza tany an-toerana ny praiministry ny FAT. Tafo fanitso sy fantsika no natolony tamin’izany entina hanampiana ireo rava trano.
Tafajoro any amin’ny distrikan’i Maroantsetra ankehitriny ny fikambanam-behivavy MTM na ny Tanora Mijoro Miray. Antom-pijoroan’ity fikambanana ity ny hanentana ny mpiara-belona amin’ny fanajana ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy izay zary tsy fantatry ny sasany intsony ankehitriny. Efa miparitaka manerana ireo Kaominina 18 isa mandrafitra ity distrika ity io fikambanana io, araka ny vaovao voaray. Ao Maroantsetra moa raha tsiahivina no hanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy ny 08 Martsa ho avy io ho an’ny Faritra Analanjirofo.
Tapaka ny lalana mampitohy ny Kaominina ambanivohitra Ambatomainty atsimo amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Hazo atambatambatra araka ny vaovao voaray no hampifampitohizan’ireo mpampiasa lalana mba hahafahany mandeha. Kamiao telo ka hatramin’ny dimy no indray mifampitarika mandritra izany izay marihina fa feno entana avokoa. Antso avo noho izany no hataon’ny mponina amin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny mba hijery akaiky ny zava-misy. Taorian’ny fiavian’ny rotsak’orana nateraky ny rivodoza Bingiza moa no tena nanimba tanteraka ity lalana mampitohy an’Ambatomainty atsimo sy Fenoarivobe ity.
Efa manomboka miverina tsikelikely any amin’iny Kaominina ambanivohitra Ambohitromby, Fenoarivobe iny ankehitriny ireo miaramila ao amin’ny DAS hitandro sy hampandry fahalemana iny faritra iny. Hatramin’ny nahatongavan’ireto miaramila ireto tany an-toerana araka ny vaovao voaray dia efa manomboka milamindamina ny tanàna ary tsy re firy intsony ireo jiolahy mpanani-bohitra amin’ny andro antoandro.
Mihamahazo vahana amin’izao fotoana izao ny fanodinkodinana ireo tovovavy tsy ampy taona hataon’ireo teratany malagasy sy vahiny any amin’ny distrikan’i Sainte Marie. Tonga mijery ifotony ny fandehan-javatra any an-toerana hatramin’ny omaly ireo tomponandraikitra misahana ny fiahiana ny zaza tsy ampy taona eo anivon’ny ministeran’ny mponina, hametraka paikady sy lamina hamongorana ireo mpanao ratsy.
Vonona amin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy ireo fikambanam-behivavy any amin’ny faritra DIANA sy SAVA. Fikambanam-behivavy izay tsiahivina fa mirotsaka feno amin’ny fanaovana asa soa. Hisy ny hetsika izay hotontosain’izy ireo ny 08 Martsa ho avy io ka ny vola rehetra azo avy amin’izany dia entina hanampiana sy hanohanana ireo zokiolona tsy manam-piahy any amin’ireto faritra roa ireto.
Miaina sahady ao anatin’ny rano indray ireo mponina monina any amin’ireo faritra iva eto an-drenivohitra hatramin’ny omaly vokatry ny firotsahan’ny ranon’orana afak’omaly hariva. Tsy vitsy ireo voatery nifindra monina any amin’ireo mpiray vodirindrina aminy toy ny eny amin’iny faritry ny 67 ha akaikin’ny Cenam sy eny Antetezana afovoany iny vokatr’izany.
Mikaikaika noho ny tsy fahitana taratra kely akory ilay vary mora amidy 1180 Ar ny iray kilao ireo mponina eny amin’iny faritr’Itaosy iny. Mpivarotra roa monja amin’ireo am-polony no nahitana izany teo aloha izay nihafoana tsikelikely. Araka ny fanazavan’ireo mpivarotra dia noho ny filaharam-be izay mitarika fahaverezam-potoana be dia be no mahakamo azy ireo hilahatra ity vary mora ity eny amin’ny mpamongady. Manampy trotraka izany ny saran-dalana lany izay tsy azo alaina akory amin’ny vidin’ny vary noho ity farany tsy maintsy hamidy 1180 Ar ny iray kilao.
Tafakatra 22 ireo namoy ny ainy vokatr’ilay rivodoza Bingiza. Nahatratra 13 ireo olona tsy hita popoka hatramin’izao, 25.283 ireo tsy manan-kialofana. Vaovao farany azo omaly hariva tamin’ny 3 ora ireo. Distrika 42 manerana ny nosy moa no tena lasibatra ka ny 14 tamin’ireo no tena voa mafy. Efa miezaka ny mpitondra fanjakana mijery ny zava-misy.
Vaky indray ny fonjan’i Betroka tamin’ny alarobia 23 febroary lasa teo. Raha araka ny vaovao azo dia jiolahy raindahiny iray nahavita heloka bevava no tafavoaka ny fonja. Nihanika tamboho izy io ary hitan’ny mpiandry fonja. Nitifitra avy hatrany ireto farany ary voa ny tongony. Tafaporitsaka ihany anefa ity gadra ity ary mbola karohina hatramin’izao. Mihorohoro, araka izany, ny mponina any an-toerana satria malaza ratsy tokoa io jiolahy io.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.