Mitaky ny handoavana ny tambin-karamany ireo sefo fokontany any amin’ny faritra Vakinankaratra. Voakasik’izany manokana ny any amin’ny distrikan’Antsirabe I sy II izay tena velon-taraina tokoa. Hatramin’ny fotoana nandrenesan’izy ireo mantsy fa efa eo am-pikarakarana ny tambin-karaman’izy ireo ny fitondram-panjakana dia tsy mbola nahazo ny anjarany izy ireo.
Nidina an-dalambe nanao hetsika entina hanoherana ny kolikoly izay tena mihamahazo vahana any amin’ny faritra misy azy ireo ny mponina any Irak. Afak’omaly alatsinainy no nanatontosany izany hetsika izany izay mbola santatra am-bavarano ihany aloha, araka ny vaovao voaray.
Mpianatra iray no maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana tany Yemen afak’omaly alatsinainy. Nandritra ny hetsika notontosain’izy ireo niaraka tamin’ny mpanohitra ho fitakiana ny fialan’ny filoham-pirenena any an-toerana izay efa 30 taona nipetrahana teo amin’ny fitondrana no antony. Na izany aza hitohy hatrany ny hetsika mandrapahitan’ny mpanohitra vokatra, araka ny angom-baovao azo.
Tafakatra 15 isa ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Bingiza araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC. Manodidina ny 79.119 ny traboina raha tranon-tsekoly 160 isa kosa no rava. Ankoatra ireo dia tobim-pitsaboana miisa 15 ihany koa no potika tanteraka. Nampanantena ny hanome fanampiana antsika amin’ny famonjena ireo faritra tena lasibatra moa ny firenena frantsay araka ny vaovao azo. Eo am-pijerena ny zava-misy iainan’ny mponina ny masoivoho frantsay miasa sy monina eto amintsika amin’izao fotoana izao.
Nahatratra 300 Metatra ny tariby mitondra ny herinaratry ny JIRAMA very teny amin’ny digue ny faran’ny herinandro teo raha nahatratra 720 metatra izany hatramin’ny fiandohan’ny volana janoary no ho mankaty. Tsy ny teny amin’ny digue ihany no voakasik’izany, araka ny fanazavan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra fa ny eto afoavoan-tanàna iray manontolo mihitsy. Fantatra tamin’izany mantsy fa nahatratra 4880 m ny taribin’ny JIRAMA very teto an-drenivohitra hatramin’ny fiandohan’ny taona no ho mankaty ka ny 14% tamin’izany dia teny amin’ny digue avokoa. Eo am-panoloana azy ireny moa ny JIRAMA ankehitriny, tariby mitondra herinaratra nokasaina hampidirana herinaratra ho an’ireo sasany tsy mbola nahazo izany.
Miverina mamboly vary daholo indray ny antsasak’ireo tantsaha mpamokatra eny amin’iny kaominina ambanivohitra Alakamisy Fenoarivo Atsimondrano iny rehefa tsy nisy nahavanona vokatry ny tsy fahampian’ny ranon’orana. Ireo ranon’orana entin’ireo rivodoza mbola handalo eto amintsika no handraindrain’izy ireo hanampy azy ireo amin’ny famokarana ny vary mialoha ny fotoanan’ny ririnina.
Hosantarina anio any amin’ny distrikan’i Manja ny fankalazana ny fetin’ny sekoly teknika. Fanabeazana mikolokolo ny hambom-pom-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana no loha-hevitra haofaofa mandritra ny roa izay tsy hifarana raha tsy ny 25 febroary ho avy io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.