Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 21 Febroary 2011


Hifarana anio ny fitsidihan’ny filoha Kaomoriana Ahmed Abdallah Sambi rehefa naharitra henemana. Tany Mahajanga izy hatramin’ny sabotsy teo. Fiaramanidina manokana, “Jet privé” no nitondrana azy nankany. Nisy ny fihaonany tamin’ireo teratany Kaomoriana any an-toerana, sy ny fihaonany tamin’ireo Karana amin’ny fikambanana Bohra izay nankalaza ny fetin’ny mpaminany Mahomet.

 

Fandorana ireo baoritra fitoerana cacao no nentin’ireo tantsaha mpamokatra any Côte d’Ivoire nanehoana ny alahelony mikasika ny tsy fahazoan’izy ireo manondrana cacao intsony ato anatin’ny iray volana. Fanapahan-kevitra noraisin’ny governemanta Alassane quattara izany raha misy fiantraikany goavana amin’ny fidiram-bolan’ny tantsaha mpamokatra kosa.

 

Nahazo fotodrafitrasa vaovao sy fampitaovana ny sekoly ambony fanofanana mpitsara sy mpiraki-draharaha etsy Tsaralalàna. Natao hampiasain’ireo mpianatra ho mpisolovava izy ity. Nohararaotina tamin’ny fahatongavan’i Henri de Raincourt, ministra frantsay momba ny fiaraha-miasa ny fitokanana azy, izay natao tamin’ny sabotsy teo raha tokony ho tamin’ity anio ity no nanaovana izany.

 

Ny 1/3-n’ireo raharaha miisa 1.100 nandalo teo anivon’ny fitsarana an-tampony nandritra iny taona 2010 nivalona iny ihany no fantatra fa vitan’ireo tomponandraikitra ny nisahana izany. Ny ankoatra izay dia mbola miandry fandaminana avokoa araka ny fanazavana azo izay nohamafisin’ny ministry ny fitsarana fa mila fandaminana sy lamina maty paika.

 

Efa saika tazana mivezivezy eny anivon’ireny toeram-pivarotana enta-madinika lehibebe ireny avokoa ny ankamaroan’ny olona tato ho ato, manontany ny mikasika ny fotoana hanombohan’ilay lalao loterie, karakarain’ny orinasa Loterie ihany. Ny 05 martsa ho avy io izany no hanomboka ho an’ny eto an-drenivohitra ka toeram-pivarotana maro no ahitana izany.

 

Nanao be midina teny amin’ireo faritra iva ahiana hisy tondra-drano ny teo anivon’ny mpamonjy voina ny faran’ny herinandro teo. Voakasik’izany ny teny Ampefiloha Ambodirano, 67 ha… ka nanambaran’izy ireo fa tsy mbola misy atahorana aloha ny fiakaran’ny rano hatramin’izao na dia tsy mitsaha-mikija aza ny ranon’orana.

 

Mitaraina noho ny tsy fisian’ny mpandeha ireo taxi-brousse eny amin’ny fasan’ny Karana. Zara raha mahafeno “versement” ny fiara vokatr’izany ka mampitsoaka an-daharana ny sasany. Ho an’ireo taxi-brousse mihazo an’i Faratsiho manokana, ohatra, dia mihena isan’andro izy ireo no miasa noho ny haratsian-dalana hateraky ny ranon’orana.

 

Efa mba miaina araka ny tokony ho izy na dia tsy mbola tonga lafatra aza ireo mponina any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Hatramin’ny niavian’ny rotsak’orana no ho mankaty no nampahazo aina azy ireo ka nahafahany namboly ara-dalàna.

 

Hamatsy vola amin’ny asa fanamboarana hatao eny Andralanitra ny AFD na ny masoivoho frantsay momba ny fampandrosoana. Fanamboarana lalana, famefena ny toerana fanariana ny fakon’Antananarivo, fampidirana rano fisotro madio, no anisan’ny hiantefan’izany vola izany.

 

Araka ny fantatra dia tsy nahazo alalana hiantsona tao Maputo ny fiaramanidina nitondra ny ministra frantsay momba ny fiaraha-miasa, Henri de Raincourt, raha hihazo an’i Madagasikara. Manitikitika ny maro ihany ny mety ho anton’ity safidy hiantsona tany Mozambika ity, saingy tsy tanteraka moa.

 

Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT