Actualités

Vaomiera mpanadihady ny ady tany Hanomboka amin’ny raharaha Antanandrano


  • Zoma 26 Novambra 2021

Nanomboka omaly teny Tsimbazaza ny fivorian'ireo solombavambahoaka mpikambana ao anatin’ny vaomiera mpanadihady ny ady tany eny amin'ny Antenimieram-pirenena izay ahitana solotenan'ny vondrona parlemantera

 rehetra misy eny amin'ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity dia ny TIM, IRD, GPR ary ireo solombavambahoaka tsy anaty vondrona, hoy ny fampitam-baovao. Hiady amin'ny tsy rariny, ny tsindry hazo lena ity vaomiera ity, hoy ireo mpikambana. Tsy misalovana ny asan'ny fitsarana kosa fa mihaino ny andaniny sy ny ankilany, izany hoe, tsy mihaino feon-dakolosy tokana. Omena ny tompon'andraikitra mahefa izay fehin-kevitra mivoaka eo. Ny praiminisitra, ny filoham-pirenena, ny malagasy rehetra manerana ny nosy dia afaka mametraka fitarainana amin'ity vaomiera ity avokoa, hoy hatrany ny fanazavana. Ny raharaha Antanandrano izay mampifanolana ny malagasy mpandova sy ny orinasan-tserasera iray eto moa no isany raharaha mafana hanombohan’izao vaomiera izao ny asa, raha ny fanamarihana natao.
J. Mirija
Legende: Teny Tsimbazaza omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT