Dibo-drano tanteraka ny Fokontany Tsaramandroso Ambany ao anatin’ny
Kaominina Ambonivohitry Mahajanga omaly atoandro. Vao orana adin’ny roa monja dia efa feno hatrany anaty trano, ny sisin-dalàna, hatrany an-dohalika sy am-poto-pe ny rano omaly teny amin’ny arabe, hany ka sahirana ny tanteraka ny fitaovam-pitaterana sy ny olona. Vokatry ny fisiana lakandrano iray tsy voajary ao anatin’ny fokontany no nahatonga ny fiakarana, hoy ny tompon’andraikitra ny ivon-toerana mihasana ny fanadiovana. Tsy voakarakara sy tsy voadio io lakan-drano ahafahan’ny rano mivarina io, ka niantso ny kaominina handray andraikitra izy ireo. Vao adin’ny roa dia efa izao, ka ahoana no mety hahazo ny Fokontany Tsaramandroso ambany raha orana fito andro, hoy io vovonana io. Raha ny vinavinan’ny sampan-draharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro anefa, dia hisy orana mandritra ny andro maromaro any Mahajanga. Ahafan’ny rehetra maka lesona sy miomana ny zava-niseho tany Mahajanga, izay vao adin’ny roa dia efa tra-boina ny tanàna. Mila mailo ny toerana maro manerana ny Nosy, toy ny eto Antananarivo izay misedra olana goavana hatrany isan-taona noho ny fahatsetsenan’ny tatatra sy lakandrano, ny fanorenana tsy ara-dalàna, ny havoretrana sy fanariana fako any anaty tatatra,… Vao hiandoha ny fotoam-pahavaratra, ary hatrany amin’ny taona 2021 no mbola hisedrana azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.