Actualités

Vanim-potoanan’ny ririnina Tena hamirifiry ny hatsiaka amin’ity hoy ny meteo


  • Alakamisy 12 Mey 2022

Efa manomboka miditra tsikelikely ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika eto Madagasikara raha araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby.

Ao anatin’ny volana Jona sy Jolay ny ivony izay fantatra fa tena hamirifiry tokoa amin’ity taona 2022 ity. Raha araka ny fanadihadiana natao dia ny Faritra Analamanga sy Vakinankaratra no tena hamirifiry tanteraka satria mety ho tafidina hatrany amin’ny 6 degré ny hatsiaka raha araka ny fantatra hatrany. Mila miomana sahady amin’ny fitafy mafana sy ny lamba firakotra mafana araka izany ny rehetra mba hisorohana ireo karazan’aretina mety hitranga. Anisan’ireny ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny sery sy ny kohoka raha mbola tsy lavitra antsika ihany koa ny valan’aretina Covid 19. Ilaina hatrany araka izany ny mitandrina ny fahasalamana indrindra fa ny fampiasana hatrany ny arovava orona izay misoroka aretina maro. Ilaina ihany koa ny mihinana sakafo ara-pahasalamana misy ireo karazana hery fiarovana miampy fisotroana rano 1 litatra ho an’ireo milanja 50 kg raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

Hijery ny tohiny
FTT