Actualités

Vanim-potoan’ny ririnina Mamely ny ankizy ny “Méningite”


  • Talata 12 Jolay 2016

Ankoatra ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohoka sy ny sery dia fantatra ihany koa fa mamely ny ankizy madinika ny aretina méningite amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao

 . Roa  amin’ireo ankizy 15 isa marary tazonina etsy amin’ny hopitalin’ny zaza etsy Ambohimiandra  raha araka ny fanazavan’ny dokotera Ravelomanana Lovaniaina, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity hôpitaly iray ity no lasibatr’izany. Nifanintona ireo zaza ireo, niakatra be ny hafanany, tsy mety minono amin-dReniny ihany koa no sady mihenjana ny hatony.  Folo ka hatramin’ny 15 andro eo ho eo no fe-potoana hitazonana  azy ireo ao amin’ny hopitaly. Na izany aza dia nomarihiny fa tsy dia betsaka loatra ireo ankizy niditra hôpitaly ho azy ireo manokana. Mahatratra hatrany amin’ny 40 na 45 isa  mantsy izany rehefa tena betsaka ny marary. Notsindrian’ny dokotera Lovaniaina hatrany  moa fa azo hatao tsara ny misoroka ireo aretina  ireo na izany aza. Anisan’ireny ny fanaovana vaksiny ny zaza, ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, ny fampanaovana azy akanjo mafana hatrany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT