Tanteraka omaly teto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanadinam-panjakana voalohany na ny CEPE tamin’ity taona 2013 ity. Raha ny vaovao re manerana ny Nosy dia nizotra tamim-pilaminana ny fiatrehan’ireo kilonga 9 hatramin’ny 11 taona ny tontolo andron’ny talata 16 jolay.
Fantatra fa nisy ireo kandida tsy tonga niatrika fanadinana. Fa raha ny zavatra tsikaritra teto amin’ny manodidina ny tanànan’Antananarivo Renivohitra aloha dia vao maraina be tamin’ny 6ora sy sasany no efa hita nanoloana ny foibem-panadinana ireo ray aman-dreny niaraka tamin’ireo zanany hiatrika ny fanadinana. Tsy nahagaga, araka izany, raha nisy ny fitohanan’ny fiarakodia nandritra ny ora 1 mahery teo. Nisinda moa izany rehefa vita ny fiantsoana ny anaran’ireo mpianatra ka samy namonjy ny asa aman-draharaha ny mpanatitra. Tsy vitsy ihany koa ireo mpanaradia ireo mpiadina no namono andro niandry tety ivelan’ny foibem-panadinana.
Nitovy tanteraka tamin’ny zava-nitranga ny tapakandro maraina ny niseho omaly folakandro. Araka ny fandaharam-potoanan’ny tompon’andraikitra eto Antananarivo Renivohitra dia hivoaka ny faran’ny herinandro izao ny valim-panadinana. Izany dia aorian’ny fitsarana hotanterahin’ireo mpampianatra manomboka anio alarobia ary hitohy rahampitso alakamisy. Nandritra ny fitsidihan’ny minisitra tompon’andraikitra Manoro Regis foibem-panadinana vitsivitsy kosa no nanambarany fa efa vita daholo ny pitsopitsony mikasika ny tambinkaraman’ireo mpitsara. Ny fivoahany eny anivon’ny ministeran’ny vola sisa andrasana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.