Actualités

Valérien (PARAMED) Hivoaka anio didim-pitsarana hamaritra ny hoaviny


  • Alatsinainy 16 Jolay 2012

Hanamarika ny hoavin’ny tolona sendikaly ataon’ny PARAMED ny zavatra hitranga io.

 hivoaka anio 16 jolay mantsy ny didim-pitsarana mahakasika ny Sekretera jeneralin’ny sendika SISFM, Rakotonandrasana Valérien. “Non assistance à personne en danger” na tsy firaharahana olona efa ambavahaonan’ny loza no heloka anenjehana azy, ka nisamboran’ny jeneraly Ravalomanana Richard azy tao an-tokotanin’ny HJRA ny alarobia 4 jolay 2012, nandritra ny manasa-dalana ny lalao rugby nifanandrinan’ny Makis de Madagascar sy ny Maraokanina teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ka nampisy naratra 21 rehefa nibosesika hiditra ny kianja vokatry ny tsy fahalavorarian’ny fandaminana teo amin’ny fampidirana olona. Notazomina teny amin’ny tobin’ny zandary nandritra ny 48 ora i Valérien taorian’io.

Maro ny fanakianana ny fihetsiky ny jeneraly Ravalomanana tamin’io, ary dia samy nampiaka-peo avokoa na olon-tsotra, indrindra ireo sendika, izay efa am-bolana no nanao fihetsiketsehana. Ny alarobia 11 jolay no niakatra fitsarana ny raharaha. Sady tsy nipoitra ny mpitory no tsy nijoro ny vavolombelona nandritra ny fitsarana azy tao Anosy. Fifandaharana sy fihainoana ny fiarovantenan’ny voampanga ihany no natao tamin’io fa dia anio 16 jolay no hamoaka ny didy ny fitsarana. Ankoatra io dia nisy ihany koa fitoriana fiandry, nataona tale eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana mahakasika an’ity Sekretera jeneralin’ny sendika SISFM ity sy ny filohan’ny sendikan’ny dokotera mpiasam-panjakana (SMédFM), Dr Ndatason Frédéric.

Nahiahian’ireto farany ho nanakarama andian’olona nanakorontana tao amin’ny HJRA io tale io, ary ambaran’izy ireo fa misy rakitsary sy laharana finday ho porofo mahakasika izany. Ny an’ilay nahiahiana anefa no tonga aloha, ka dia nametraka fitoriana fiandry tany amin’ny biraon’ny Polisy misahana ny heloka bevava (BC) Anosy izy. Ny zoma 13 jolay teo no voantso, nampahafantarana ny fisian’io fitoriana io, izy roalahy mpitarika sendika ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT