Actualités

Valanjavaboahary Zombitse-Vohibasia Voafehy ny afo, 4 andro aty aoriana


  • Zoma 07 Oktobra 2022

Ny alahady 2 oktobra lasa teo no nanomboka nidedaka ny afo tao amin’ny valanjavaboahary Zombitse-Vohibiasa ao amin’ny faritra atsimo andrefana, 147 km avaratra atsinanan’i Toliara.

Tena mafy ny asa , raha ny fanazavan’ireo zandary avy ao Sakaraha, izay niasa mafy tany an-toerana. Nanao izay ho afany ihany koa ny mponina tany an-toerana nifanome tanana tamin’ny zandary satria tena nidedaka be ary nasiaka ny afo ka tsy maintsy napetraka ny paikady matotra hifehezana sy hamonoana azy ary tena mila olona maro izany.Nananosarotra rahateo ny famonoana ny afo noho ny tsy fahampian’ny fitaovana.Ny tatitry ny Madagascar National Park no nahafantarana fa ala 80 hektara no may kila sy lasa lavenona, manodidina ny 36 308 hektara moa ity valanjavaboahary izay napetraka nanomboka ny taona 1997 ity.Heverina fa afo niniana natao no nahatonga izao fahamaizana 80 hektara tao amin’ny Zombitse-Vohibasia izao.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT