Actualités

Valanjavaboahary Tsimbazaza Hisy fiovana ny vidim-pidirana


  • Zoma 06 Aogositra 2021

Namoaka Fanambarana ny fiadiadian’ny Valanjavaboahary etsy Tsimbazaza, fa araka ny tapaka tao amin'ny fivorian'ny Filankevim-pitantanan'ny Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza

 (Délibération n° 02/21 du 30 juillet 2021) dia miova ny vidim-pidirana ao amin'ny Sahan-java-maniry sy Biby manomboka ny sabotsy faha 14 aogositra 2021, ka toy izao izany: Ho an’ny Teratany Malagasy dia mandoa fa maimaimpoana ny latsaky ny 5 taona), 600Ar ho an’ny ankizy 6 taona - 11 taona . Ny lehibe manomboka eo amin’ny 12 taona noho mihoatra kosa dia 1000Ar. Ho an’ny teratany vahiny kosa, dia 8 000 Ariary ny ankizy 6 hatramin’ny 12 taona, ary 20 000 Ar ny 12 taona noho mihoatra. 600Ar ny vola aloha amin’ny fakan-tsary na “appareil photo”, 2000Ar ny “caméra”, ary raha hanao “tournage/clip kosa dia mialohan’ny andro hanaovana izany dia manao fangatahana any amin’ny Fiadidian’ny valanjavaboahary, ary mandoa sarany ao amin’ny sampan-draharahan’ny “Comptabilité”.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT