Actualités

Valan-javaboahary Tsimbazaza Tsy misy marary ireo mpiasa nanaovana fitiliana


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Tsy nijanona tamin’ireo biby fantatra fa voan’ny raboka ny valan-javaboahary ao Tsimbazaza fa nitily ireo mpiasa mifanerasera amin’ireo biby ireo ihany koa .

Ho an’ireo biby manokana dia fantatra fa ny 56 isa notiliana dia ny 12 isa no mitondra ny aretina ka isan'ireny ireo 8 namoy ny ainy . Natokana avy hatrany izy ireo miampy ireo biby hafa izay nifanerasera taminy . Tsy nisy voakasiky ny tsimok'aretika kosa anefa ireo mpiasa ao amin'ny valanjaboary, raha araka ny fitiliana natao hatrany. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fepetra horaisina ho fiarovana ny biby hafa rehetra sy ny fahasalaman' ireo mpiasan'ny valanjavaboary ary ireo mpitsidika izay iarahana amin'ny Fandaharanasam-pirenena miady amin'ny raboka. Hatreto mantsy dia mbola marobe hatrany ireo mpifakantia, fianakaviana… tonga mitsidika ity valan-javaboahary ity isaky ny faran’ny herinandro raha tsy ferana ihany koa ireo tonga amin’ny andavanandro. Marihina moa fa efa misy ny sampan-draharaha samihafa isan'ambaratongany sy ny Komity najoro izay ahitana ny avy ao amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny "Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza", ny Fitaleavan'ny Sampandraharahan'ny Dokotera Mpitsabo Biby (Vétérinaire) ary ny avy ao amin'ny Fandaharanasam-pirenena miady amin'ny Raboka. Tsiahivina moa fa ny aretina raboka dia mitovy amin ' ny aretina mifindra rehetra ka mihanaka ary mety hahafaty rehefa tsy voatsabo.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ireo komity
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT