20 taona katroka namafazana “Revy manja vazo milay” manerana ny Nosy ny tarika Ny Ainga. Raikitra ! Rahampitso alahady 06 aprily etsy amin’ny kianja maitson’Antsahamanitra no hisantarana ny fotoam-pankalazana.
Hibahana tanteraka anatin’ny fandaharan-kira eny an-toerana ireo tsanganasa nanaovana fanadihadiana manokana fa tena akaikin’ny fo amam-panahin’ny mpankafy. Midika izany fa ny tamberin’ny 20 taona lasa no holalaovina an-tsehatra. Hivoaka amin’io rahateo ny kapila mangirana “Best of” 20 taona milay hirakitra ireo hira namela fahatsiarovana tsy hay kosehana anatin’ny tsirairay sy ilay hira faneva. Singanina amin’ireny “Dadazily”, “Fitiavako masiaka”… Ora efatra be izao no hivalamparana anatin’izany rehetra izany. Hiaka-tsehatra i Noro, anisan’ireo mpihira vehivavy voalohany tao amin’ny tarika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.