« Vaky » ny alatsinainy 30 mey teo ny biraon’ny tahirimbola ao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo. Vola be an-tapitrisany no voalaza fa nanjavona tamin’izany. 40 ka hatramin’ny 60 tapitrisa Ariary any ho any, tokony handoavana “prime”.
Ny mahagaga anefa dia tsy nisy trano simba na potika tao anatiny, fa dia niditra am-pilaminana ary dia nivoaka tsy amin’ahiahy ny “mpangalatra”. Mitranga izany amin’ny fotoana tsy maha ao an-toerana ny praiminisitra Mahafaly Olivier. Tsy mazava aloha hatreto ny fotoana nisehoan’ny halatra fa ny mpiasa tompon’ny birao tonga hiasa maraina no voalaza fa nahatsikaritra fa tsy tao ny “écran”na ordinatera sy ny vola be. Anisan’ny fepetra voalohany noraisin’ny tompon’andraikitra tao ny fanaovan’izay rehetra niasa sy niandry raharaha tamin’io andro io tatitra (compte rendu) sy sonia sazy (punition). Mifarimbona misahana ny fiambenana ity lapa ity moa ny miaramila, zandary ary polisy, ka raha ny loharanom-baovao dia tsy nanaiky hanao “compte rendu” ny polisy sy zandary fa mangataka ny hanokafana fanadihadiana satria tsy nisy trano vaky. Mba mahagaga ihany koa moa hoe : vaky ny birao nefa lapa tsara ambina io. Koa raha hidiran’ny olona izany ny biraon’ny praiminisitra dia ahoana ? Tsy misy mpahita na afinafenina fotsiny eo ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.