Actualités

Vaky ny adin’i Lercia sy ny gazety iray “Nitory aho, ary hifampitady izahay…”


  • Zoma 29 Jolay 2022

Tezitra mafy manoloana ny lahatsoratra an-gazety iray ny alarobia 27 jolay 2022 teo, niresaka ny momba azy ny mpandraharaha Lercia.

Nosokajiany ho diso sy tsy mitombona, ary Banky vahiny avy atsy amin’ny Nosy rahavavy iray, izay mifanolana aminy efa am-polo taonany mahery no ambarany fa mamporisika ny hanaovana fanalam-baraka azy. “Raha ny vaovao azoko, tonga tany amin’ireo ilay banky vahiny izay mifanolana amiko, ary nilaza hanome volabe raha mahasahy manaratsy ahy ka notanterahan’ireo tokoa izany. Zavatra tsy marina fa “Affirmation gratuite” tsy misy porofo ireo fanaratsiana ahy ireo, nitory an’io gazety io aho. Maninona ny anaran’izay nanoratra no nanasonia ny lahatsoratra, izaho tsy miafina, raha sahy mijoro ianao asehoy ny anaranao hoe: izaho ranona no nanoratra an’io. Lazaina fa nisoloky volana ankizy tany Ambatondrazaka aho, raharaha efa fony izao 25 izany, ary ny mifanohitra amin’izany aza no zava-misy, tsy mireharehana aho fa mba nametraka tantara tao Ambatondrazaka aho, ary mba isan’ny nanampy ankizy sahirana betsaka. Inona no hidirany amin’ny fiainako manokana?”, hoy i Lercia. Efa namaky ady amiko ny 2009, fa nandefitra aho, ka izao miverina indray ka ho avy aho raha izay no tadiaviny. Tsy afaka handefitra intsony aho, mitondra ny raharaha eo amin’ny fitsarana aho satria voahosihosy ny maha izaho ahy, haiko ny lalàna, ary tsy izy no hampianatra ahy izany, hoy hatrany i Lercia. Tsy maintsy hampahafantatra ihany koa, hoy izy, ny minisitra tompon’andraikitra, ary nilaza handefa taratasy any amin’ny Praiminisitra hampahafantatra ny zava-misy izy, mba hisian’ny tany tan-dalàna sy manankina ny raharaha amin’ny fahendren’ny fitsarana. “Tsy afaka hanaiky aho, ary tsy mandrahona fa mampitandrina, tsy zazakely aho, fantatro fa nahazo vola izy ireo, fa izaho vonona, hifampitady izahay, raha izay no tadiaviny”, hoy ity mpandraharaha ity. Nambarany moa fa adin-tserasera sy fanaratsiana no atao aminy. “Ireo Banky vahiny sasany dia manao tsinontsinona ny firenentsika, didy miainga any amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany hatrany amin’ny fitsarana tampony, mbola mahavita zavatra tsy fanao manao “faux actes”, hatrany amin’ny 15 taona, 20 taona ny dingana ara-pitsarana, kanefa lavin’izy ireo ny didy mivoaka…. Niady izahay ary tsy izaho no nanameloka ireo banky vahiny niady tamiko fa ny Fitsarana Malagasy, ny dikan’izany dia ny Fanjakana Malagasy no tsy asian’ireo fotony dia mitady fomba hafa hamelezana ahy, hoy hatrany I Lercia. Niantso ireo manana olana amin’ireo Banky vahiny tahaka azy mba hivondrona moa i Lercia ka nametraka ny laharany 034 93 445 98.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT