Actualités

Vakinankaratra Mbola maro ireo tsy mampianatra


  • Talata 15 Mey 2012

Hifandroritana tanteraka ankehitriny ny manodidina ny resaka fampianarana amin’ny ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa.

 Raha ny fanazavana nomen’ny minisitra Manoro Regis nandritra ny tafa fohy nifanaovany tamin’ireo mpampianatra vitsivitsy niaraka tamin’ny Talem-paritry ny fampianarana tao Vakinakaratra fa : «iny sora-bola iny ihany oloha no zakan’ny fanjakana ary tsy afaka hihotra an’io intsony izahay», hoy izy ary notsindriany fa «efa nifampitadiavana vao nahita io lelavola io». Nohamafisiny fa tsy izy mihitsy no hampanantena zavatra tsy ho tanteraka hamitaka ny mpampianatra mitovy aminy. Amin’ny fotoana manaraka anefa dia hodinihina ireny fangatahana ireny. Nitaona hatrany ireo mpampianatra ny tenany mba hijery amin’izay ireo zana-bahoaka satria saika ireo sahirana no mianatra amin’ny sekolim-bahoaka izay mitokona ka ho simba ny hoavin’ireo any aoriana. Nohamafisiny fa hatreto dia tsy miova ny datim-panadinana manerana ny Nosy ary tsy mbola mivonona amin’ny fanasaziana ny tompon’andraikitra hatreto.

Raha ny zava-misy aloha ao Vakinankaratra dia tsy mbola miverina 100% ny fampianarana na dia rava aza ny fivoriana teo amin’ny kianjan’ny EPP Mahazoarivo Avaratra. Misy ireo mpampianatra no miverina any an-dakilasy saingy tsy manpianatra sy tsy mandray mpianatra izy ireo fa mijanona fotsiny ao anatin’ny faritry ny sekoly toy ny ao amin’ny CEG Soamalaza izany. Toy izany ihany koa ny eny amin’ny Lisea Teknika Ivohitra izay tena tsy misy mpampianatra miasa mihitsy, araka ny tatitra azo. Ny ao amin’ny lisea André Resampa aza moa dia fantatra fa tsy ny mpampianatra rehetra no miasa amin’izao fotoana izao. Nohamafisin’ireo mpampianatra moa fa dia ny baikon’ny SEMPAMA foibe hatrany no arahin’izy ireo ka na dia tsy avela hivorivory aza izy ireo dia tsy azo vozonana hiasa raha tsy mahazo toromarika any amin’ny foibeny. Araka izany dia mbola misavorovoro ny momba ireto mpampianatra ireto amin’izao fotoana ka tsy mbola fantatra izay hiafarany. Hatreto moa dia miezaka hatrany ny Talem-paritry ny fampianarana mitety ireo Cisco manodidina mandamina izany. Tantara mitohy !

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT