Actualités

Vakinankaratra Mandrahona fitokonana ny Sempama Nosy


  • Alarobia 13 Martsa 2013

Namoaka fanambarana ny Sempama-Nosy Vakinankaratra ny alatsinainy 11 martsa teo mandrahona ny hanao fitokonana raha tsy voavaha ny olan’izy ireo.

 Araka ity fanambarana ity dia manome 48 ora farany ny mpitondra ao amin’ireo Cisco voakasika dia Antsirabe I sy II ary I Mandoto izy ireo hamerina amin’ny andraikitra ireo mpampianatra rehetra nafindra toerana, ka ho an’i Vakinankaratra dia niisa 8 no voakasik’izany. Eo ihany koa ny famin-dran-toerana tsy araka ny tokony ho izy ireo mpampianatra FRAM, izay mitranga any amin’ny Cisco-n’i Mandoto, izay nihatra tamina sekoly niisa 05, mianpy ny tao Antsirabe sy ny tany Antanifotsy, ka nahatratra 37 ireo mpampianatra no voakasik’izany. Ankoatra izay dia niaraha-nahalala fa nandresy teny amin’ny fitsarana ireo mpampianatra FRAM tany amin’ny Cisco Mandoto rehefa nesorina tsy araka ny tokony ho izy kanefa dia tsy noraisina ny valin’ny fitsarana.

Voalaza fa aorian’io fepetra napetraka io raha toa ka tsy mivaha ireo olona sy fitakiana ireo dia hikatso amin’izay ny fampianarana. Nambaran’izy ireo fa tsy hihemotra amin’izay ramatahora ataon’ny mpitantana izy ireo fa efa maty paika ny hetsika hatao ka nilaza fa tsy ho tompon’antoka amin’izay mety hitranga. Nitarika ity fihaonana teny amin’ny Talem-paritry ny fampianarana ao Vakinankaratra ity moa ny filohan’ny Sempama Nosy ao Antsirabe sy ireo birao ary ireo mpampianantra FRAM marobe voakasika, saingy teo ivelan’ny birao izy ireo no noraisin’ny Talem-paritra.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT