Vakinankaratra

> Nisy nikepoka ny karaman’ny sefo Fokontany


  • Zoma 18 Oktobra 2013

Mbola tantara mitohy ny momba ny karaman’ireo sefo Fokontany ao Vakinankaratra.

Namory mpanao gazety mihitsy ny lehiben’ny Faritra, Andriamasimanana Samuel Berthin ny tolakandron’ny alakamisy 17 oktobra fa tsy nandray ny karaman’ny sefo Fokontany sy ny lefitr’izy ireo mihitsy ny tenany nandritra ny famindram-pahefana nifanaovany tamin’ny lehiben’ny Faritra teo aloha. Nambarany fa araka ny taratasy laharana faha : 40-13/Min/SG/DGCT/DCFE dia efa tonga tao Vakinankaratra ny datin’ny 02 aogositra 2013 tokoa ny karaman’ny sefo Fokontany izay mitotaly 98.325.800 Ariary, saingy nandritra ny famindram-pahefana ny talata 13 aogositra dia 17.855.269,39 Ariary ny vola noraisiny. Mazava ny resaka fa izaho lehiben’ny Faritra am-perinasa mihitsy no tiana holotoina eto ka dia “ity ny taratasy eto anatrehan’ny tompon’andraikitry ny Trésor fa io no vola sisa tao”, hoy izy. Na izany aza dia niezaka namaha olana ny tenany ka dia horaisin’ny Faritra araka ny vola misy ao aminy aloha ny fandoavana ny tambin-karaman’ireo sefo Fokontany roa volana, izay kasaina hozaraina anio. Tsy nanaiky mora anefa ireo sefo Fokontany, izay maro no niatrika ny valandresaka, fa nitaky ny handoavana tambin-karama telo volana ka dia ho hita eo ny tohiny. Nambaran’ireo sefo Fokontany fa efa noraisin’izy ireo ny kara-pifidianana saingy tsy hozaraina izany raha tsy azo io tambin-karama telo volana io.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT