Vakinankaratra

> Miverina ny tsy fandriampahalemana


  • Talata 15 Oktobra 2013


Tokantranona mpivarotra saribao iray ao Andranomandevy Antsirabe no notafihin’ny jiolahy ny zoma 11 oktobra teo, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Efa tafiditra tao an-trano ny roa lahy amin’ireo jiolahy vao taitra izy mivady tao an-trano. Niarina nankeo am-baravarana ilay ramatoa kinanjo dia nosintonin’ilay jiolahy avy hatrany ary navoakany tany an-tokotany. Notsindronin’ilay jiolahy ny antsy ilay ramatoa raha niantso vonjy ka voa teo amin’ny sorony sy ny lamosiny ary ny lohany ka safotra tsy nahateny intsony noho ny habetsaky ny ra very. Tetsy an-daniny dia naharay hazo hidim-baravarana rangahy vadiny ka iny no niarovany tena. Vaky nandositra noho izany ireo jiolahy ary fotoana fohy taorian’izay dia tonga ny mpiambina teo an-tanàna saingy efa dify lavitra ireo jiolahy. Tsy nisy entana very na aina nafoy, fa ilay renim-pianakaviana no naratra.

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT