Vakinankaratra

> Fampiesonana fotsiny ny fanamboaran-dalana ?


  • Alakamisy 19 Septambra 2013

Tsy mbola misy miainga mihitsy ireo fanamboaran-dalana ao Vakinankaratra nampanantenain’ny Praiminisitra Lefitra nisahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, raha ny nambaran’ireo mponina any amin’ireo Kaominina voakasika.

Anisan’izany ka mampimenomenona ny mponina ny lalana mankany Ambano mipaka any Farihimena, izay natao nakotrokotroka tokoa ny fanamarihana ny fanombohany. Nisy ihany ny fitrongisana madinidinika nataon’ireo mpandraharaha nahazo ny antoka raha ny tatitra ihany saingy niteraka vovoka lalina eny amin’ny arabe izany ka na ny bisikileta izay fampiasan’ny tantsaha aza mila tsy ho afaka. Raha ny fantatra anefa dia sora-bola manodidina ny 100 tapitrisa Ariary no notononina fa hanamboarana ny lalana saingy dia ireo ny tatitry ny mponina. Mbola tahaka izany ihany koa ny voalazan’ny mponina any Soanindrariny. Natao nipoapoaka ny fanaovan-tsonia ny fanombohan’ny asa nandritra ilay foarabe “Takalon’Ankaratra”, notontosaina tao amin’ny Kaominina Ambatomena. Nolazaina fa efa ao amin’ny Banky ny vola fa ny pitsopitony sisa atao dia manomboka ny asa. Hatramin’izao anefa, raha ny tatitra azo tamin’ny mponina any amin’iny ilany atsinanan’Antsirabe iny, dia tsy misy asa manomboka izany any fa mbola ireo mponina no manototra ny lavaka ka izay fiara mandalo no manome izay foiny ho azy ireo. Raha ny filazan’ity mponina iray avy any Ambalasoarano Soanindrariny ity moa dia karazana fampiesonana sahady ilay fampanantenana hanamboarana lalana tao Vakinankaratra, ka nilazan’ny vahoaka eny ifotony fa famitaham-bahoaka tsotra izao izany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT