Actualités

Vahoaka tofoka sy leo delestazy Raikitra ny sakan-dàlana teny Fenoarivo-Ampitatafika


  • Alatsinainy 21 Novambra 2022

Leo sy tofoka tanteraka amin’ny delestazy lava tsy misy fiafarany ny olona. Naneho ny hatezerany indray ny mponina teny amin’ny faritra Atsimondrano ny sabotsy takariva teo.

Nidina an-dalambe nanao grevy ny mponina tetsy Ampitatafika-Fenoarivo noho ny fahatapahan-jiro lava. “Leo jiro tapaka”, “mila rano”, hoy ireo vahoaka. “Fanjakana o! Fanjakana fa tsy Jirama no hitodihako. Tena tsy te hi-grevy sy hikorontana izany ireo olona ireo fa tena leo kosa e! Trop trop trop! Ity delestazy sy jiro sy rano ity! Hanalavorary ny fiainambahoaka no antom-pisianareo eo!”, hoy ny mpandraharaha malaza iray monina eny amin’iny faritra iny tao amin’ny tambazotran-tserasera. Nomarihina fa tsy mpampaneno lakolosy izy, saingy naneho hoe: tena diniho sy hitadiavo vahaolana fa mety hiainga avy aty Atsimondrano ihany ity adalana ity ny farany raha ny hatezerana sy alahelon’ny olona ety. Tsara ny mampahatsiahy, fa efa nisy ny hetsika mitovitovy amin’izao tsy latsaky ny roa nataon’ny mponina teny amin’ny Faritra Itaosy, izany hoe: samy teny Atsimondrano. Tahaka ny mahazatra, dia ny mpitandro ny filaminana na “Emmo-reg” avy hatrany aloha no alefa rehefa misy ny hetsi-panairana endriky ny fahatezerana tahaka ireny, ary manaraka avy eo ny fanazavan’ny Jirama izay toa efa ho lava na “diska goaka”, hoy ny olona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT