Efa nambaranay tamin’ny fihaonana nivantana tamin’i Neny Lalao Ravalomanana niaraka tamin’ireo herivelon’ny mpitaky ny hiverenan’ny ara-dalŕna rehetra ny talata 6 aogositra teo, hoy ny Sekretera jeneralin’ny VAMI (Vahaoka Miray), i Gaby Vakiniadiana, fa izahay dia tsy miala velively amin’ny fotokevitra famerenana an’i Dada an-tanindrazana ary manohana tsy misy fepetra ny kandidŕ Lalao Ravalomanana Rakotonirainy.
Izahay VAMI dia mihevitra fa tsy vahaolana ho an’ny Ankolafy Ravalomanana ny fidirana ao anaty CES, satria tsy maintsy ho vitsy an’isa tahaka ny eny anivon’ny Parlemanta hatrany mantsy izy ireo ka tsy hanana rariny eo amin’ny fanapahan-kevitra ho raisina fa tsy maintsy hanara-drenirano hatrany. Vava fotsiny koa no betsaka ho an’ireo kandidà mivondrona ao anatin’ny «Collectif des candidats», hoy ity mpanao politika ity, fa izy ireo dia tsy maintsy hiaro ny loharano nivoahany nahatonga ny ankamaroany ho eo amin’izao toerana misy azy ireo izao dia ny fitondrana FAT. Ny vahaolana tsara indrindra hitanay fa mety, hoy i Gaby Vakiniadiana, dia ny miala ao anatin’ny rafim-pitantanana misy ankehitriny ka avela hianjahanja eo io fitondrana io ka ho lasa fitondrana taritokana indray ary dia ny miverina any amin’ny vahoaka no dingana manaraka. Tsy mitsahatra ny mitaky ny famohana ny Kianjan’ny demokrasia etsy Ambohijatovo koa ny VAMI mba hahazoan’ny vahoaka maneho ny heviny satria ny hevitry ny maro mahataka-davitra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.