Actualités

Vahoaka Malagasy Tsy mahatoky ny fitondrana intsony


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2016

Mitaraina amin’ny fahantrana lalim-paka ihany koa ny mponina any amin’ny faritra fa tsy ny eto an-drenivohitr’i Madagasikara irery.

 

 Mitotongana tanteraka mantsy ny fari-piainan’izy ireo, araka ny fanehoan-kevitry ny solontenan’ireo Vondron’Olon-Tsotra avy amin’ny faritra 16 eto Madagasikara. Fitakiana tokana sady tsotra andrasan’ny fiarahamonina Malagasy amin’ny mpitondra fanjakana ny fanatsarana ny tontolon’ny sosialim-bahoaka. Tsy hita taratra mihitsy anefa ny ezaka na fivoaran’io sehatra io tao anatin’ny 2 taona sy tapany nitantanan’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Anarany fotsiny rahateo ilay hoe fahaleovantena satria mbola miseho amin’ny endrika vaovao ny fanjanahantany. Tompony mangataka atiny amin’ny harempireneny mantsy ny Malagasy manoloana ireo vahiny migalabona sy manao izay mahadiavolana azy ireo. Lazaina hatrany fa an’ny vahoaka ny fahefana nefa tsy mananjo hitrandraka akory izy eto amin’ny tanindrazany. Efa tsy mahatoky ny fitondrana intsony ny vahoaka Malagasy ary tsy zakan’ny mpitondra ankehitriny ihany koa ny mitantana firenena, hoy ny mpitondra tenin’ireo mpikambana VOT any amin’ny faritra Ranaivosoa Ernest. Mitaky fandraisana andraikitra anefa ny zava-misy fa tsy mitsikera fotsiny amin’izao, hoy ireto farany.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT