Actualités

Vahaolan’ny delestazy Fitanisana olana sy fanilihana ny rihitra hatreto


  • Alarobia 12 Janoary 2022

Ritina any amin’ny resaka fandorana niniana natao ny olana miseho any Andekaleka. Tsy misy mandà izany, ary adidin’ny Fanjakana sy zony ny mampisambotra ireo ambara fa tompon’antoka tamin’ny asa ratsy.

 Fa ahoana tokoa moa ny resaka lamina sy fiambenana ao Andekaleka ao? Angaha azon’ny rehetra hidirana? Mbola mahagaga ihany koa ary efa nametrahana fanontaniana ny hoe: may ny fitaovana sy ny toby ny 02 janoary dia ny 06 janoary efa misy fitaovana 17 kaontera tonga tao amin’ny seranantsambo. Toa mametraka ahiahy any amin’ny hoe: sao mba efa horonan-tsary tsara homana? Na izany aza, any no toa tena hisintonana ny sain’ny olona, fa ity delestazy lava reny mampikolay ny vahoaka ity hodiana tsy fantatra sy tsy resahina firy. Ny famokarana angovo amin’ny rian-drano lazaina fa afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana vao tena hiverina amin’ny laoniny ny any Andekaleka, kanefa ny famatsiana amin’ny solika ihany koa toa misy olana? Ritina any amin’ireny ny olana, fa ny vahoaka mila miaritra. Sasatry ny mitady izay hamaharana sy hanilihana ny rihitra, manenjika sy manaratsy ireo mpitondra teo aloha ho tsy nahavita sy tsy nikojakoja. Mandeha anefa ankehitriny ny famohazana ny tantara, fa ny taona 2008 dia nisy ny antso tolo-bidy mitentina 730 000 dolara na 1,3 miliara Ar tamin’izany fotoana ho fanarenana ny Jirama Andekaleka tamin’ny andron’ny Tale Jeneraly Bernard Rohmann. Nisy famatsiam-bola 18 miliara Ar tamin’ny Banky Iraisam-pirenena ihany koa. Niongana anefa ny Fanjakana ny 2009, ary nanomboka teo ny tena fahapotehan’ny Jirama, nahatratra 700 miliara Ar ny fatiantoka nanomboka teo noho ny politika tamin’ny sarany tsy nahomby na “politique tarifaire inefficace”, izay tsy voalanjalanja tao anatin’ny 10 taona,… Izao anefa mirehareha fatratra sy manenjika ny hafa, kanefa isan’ny tsangam-baton’ny fahapotehana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT