Actualités

Vadintany sy mpanao lavanty 146 no misahana Malagasy 27 tapitrisa


  • Alakamisy 02 Septambra 2021

Laharam-pahamehana ho anay, hoy ny filoha vaovaon’ny Tranobem-pirenen’ny vadintany sy mpanao lavanty eto Madagasikara, Maitre Alain Rakotonirina,

 dia ny fanatsarana ny asanay amin’ny alalan’ny fananganana fianarana manokana momba ireo dingam-pitsarana na “école de procédure”, nandritry ny lanonana fandraisany fahefana tetsy amin’ny Carlton Anosy niaraka tamin’ireo biraony omaly. Iaraha-miasa amin’ny tranobe iraisam-pirenena izany, hoy izy. Efa takian’ny firenena sy ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny izany. Hisy ny fampiofanana ireo mpampiofana. Dia hisy ihany koa ny fiofanana ho an’ireo hiditra ao anatin’ny sehatra. Ezaka atao koa ny fanavaozana ny rafitra momba ny vadintany sy mpanao lavanty ankehitriny satria tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro intsony. Miisa 146 ankehitriny ireo vadintany sy mpanao lavanty misahana ny vahoaka 27 tapitrisa eto Madagasikara. Ezaka angatahana fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana noho izany ny fanampiana ny isan’izy mba hisiany manerana ireo tribonaly misy eto Madagasikara. 30 isa ireo vadintany vaovao noraisina tamin’ny taon-dasa saingy iaraha-mahita vao tena mbola tsy ampy betsaka izany, hoy hatrany ny fanazavany omaly.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT