Naneho tamin’ny fampahalalam-baovao Rtoa Doris Rakoto Samuel vadin’i Mahery Lanto Manandafy omaly manoloana ny fampidirana am-ponja ny vadiny,
kanefa aminy dia fanampiana ny fitondram-panjakana aza no nataon’i “Malama”. “Ny bala misy eto Madagasikara, ny basy miditra fa mbola tsy fantatra mihitsy hoe: avy aiza ilay izy? Tsy mbola misy tratra mihitsy ny momba ny fihavian’ny fitaovam-piadiana mahery vaika hifanandrinan’ny dahalo amin’ny mpitandro filaminana. Ny miheritreritra an’izany tsy zakany mihitsy, dia izany rehetra rehetra izany no nanosika azy hoe: havoakako ity, hapoakako ity”, hoy Rtoa Doris Rakoto Samuel. Araka ny fitantarany, nampitain’I Malama tamin’ilay vazaha nitory azy ny hoe: “Tsy ekeko mandrakizay ny hoe: teratany vahiny no mamatsy bala ho an’ny Malagasy hamonoana Malagasy”. Fantatry ny vadiko tsara, hoy izy, fa mbola tataovan-tsazy mihantona izy tamin’ireny resaka tetezana ireny, saingy naka risika izy ho fiarovany ny Malagasy satria tsy misy hitarainany matoa tany aminy no nandefa ny vaovao. “Mitady ny loharanom-baovao ilay vazaha hoe: iza no loharanom-baovao, saingy mitazona hatramin’ny farany tsy hanome izany I Mahery Lanto Manandafy”. Azo atao hoe: fanampiana ny Fanjakana no nataony, ary raha ny tokony ho izy, dia manokatra fanadihadiana ny Fanjakana momba io raharaha io, hoy hatrany ny vadiny. Nomarihiny ihany koa ny hoe: misy an’ilay depiote iny ihany koa voatonona ao anatin’ilay izy, misy polisy, misy fiaraha-miasa amin’ny mafia. Nametra-panontaniana moa Rtoa Doris Rakoto Samuel hoe: sa ve nohafainganina ny raharaha fampidirana am-ponja ka androany izy natao fakana am-bavany dia tonga dia niakatra fampanoavana, ka nalefa any am-ponja. Sa misy voahelingeina tombotsoa ambadika any na misy olobe voakitikitika? Hatreto, tsy mbola fantatra mazava ny fotoana hiakaran’I Mahery Lanto Manandafy fitsarana. Hanao ahoana ny ho tohiny? Hisokatra ihany ve ny fanadihadiana etsy ankilany
? Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.