Actualités

Vadina minisitra nandrahona jeneraly Tsy faly ny mpitandro filaminana


  • Zoma 10 Septambra 2021

Niteraka resabe ary niely tamin’ny tambazotran-tserasera ny horonan-peo voalaza fa feon’ny vadina minisitra iray nandrahona jeneraly.

 Tsy milamina akory ny resabe momba ilay minisitra ity, dia efa adihevitra hafa tao anatin’ny telo andro teo ho eo ihany koa io raharaha iray io. Raha ny voarakitr’ity horonam-peo ity, dia nilaza io voalaza vadina minisitra io, fa hogadrainy ny vinanton’ilay jeneraly, ary hataony……., niresaka am-panajana sy somary niangavy aza moa ity manamboninahitra ity ao anatin’ny horonam-peo hoe: aza atao an’izany,….. Nanitrikitrika kosa ilay vadina minisitra fa hopotehiny io vinantona jeneraly io, ary na ity manamboninahitra ity aza, dia azony hesorina sy hoesoriny amin’ny toerany. Tezitra 100% amin’io ny mpitandro filaminana, ka maro ny maneho fa fanimbazimbana ankitsirano ny hasin’izy ireo. Maro aza ny maneho fa amin’io no tokony hipetraka ilay fanontaniana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina hoe: “Fa fahefana avy aiza no ahafahanao……..?” Afa-baraka tanteraka ny Fanjakana, maty hasina satria olona sivily, tsy fantatra mazava hoe: fahefana avy aiza? Alalana avy aiza no ahasahian’ny manam-pahefana iray managadra sy manapotika olona amin’izay tiany? Eny fa hatramin’ny manala manamboninahitra amin’ny toerany aza. Ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra no afaka manala olona amin’ny amin’ny alalan’ny Didim-panjakana raisina ao anatin’ny filankevitry ny minisitra raha mpiasam-panjakana ambony voatendry tamina didim-panjakana. Misy olona tena mandrefy ny fahefan’ny Filoha sy ny Praiminisitra ka mipetraka ho ambony noho izy ireo ve izany eto? Hitondra fitoniana sy filaminana ho an’ny Fanjakana ve ny toe-javatra toy izany. Mafampana ny raharaha any anaty Etamazaoro miaramila sy ny Etamazaoro politika indrindra indrindra, ary mety hisy toe-javatra goavana hirefotra tsy ho ela aterak’io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT