Actualités

TVM Vakinankaratra Tsy ara-dalŕna ?


  • Talata 05 Aprily 2011

Nankalaza mangingina ny tsingerin-taona voalohany nijoroany ny TVM Vakinankaratra ny 01 aprily 2011 teo.

Araka ny fantatra dia ny sampana fifandraisana eo anivon’ny Faritra Vakinankaratra no mitantana azy ity. Tao amin’ny lapan’ny Faritra Vakinankaratra rahateo no nanaovana ny lanonana tsotsotra nanamarihana io tsingerin-taona io. Ramananarivo Princia, tompon’andraikitra voalohany amin’ny TVM Vakinankaratra no nilaza fa ny antony nananganana azy ity dia ny hanasongadinana ny asan’ny faritra sy ny fanjakana ary koa hanomezana fialamboly ny vahoaka sy hanandratana ny kolontsaina ao Vakinankaratra, na mahatsapa aza izay mba mijery azy ity fa toa fanasongadinana ny Lehiben’ny Faritra, Razanakolona Paul  Ramasitera no betsaka ao. Araka ny fantatra dia telem-paritra ny TVM Vakinankaratra, mampiasa ny fitaovan’ny TVM ao Ivohitra rahateo izy amin’izao fotoana izao ka rehefa tonga ny ora andefasan’izy ireo ny kapilany dia tapaka ny fandaharan’ny TVM Nasionaly.

Nofeperana mafy ny mpanao gazety ao an-toerana mba tsy hamoaka ny vaovao ho an’ny sehatra nasionaly, toe-javatra manaitra ihany ka mampametra-panontaniana hoe nahazoana alalana avy amin’ny minisitera mpiahy ve izy ity sa tsia ? Dia ahoana ny amin’ireo radio nanana taratasy ara-dalàna nisokatra tao Vakinankaratra, toy ny Radio Mahafaly an’ny Ben’ny Tanànan’Antsirabe, sy ny fahitalavitra sy Radio iray efa nanao andrana tao Antsirabe, nefa nakatona, miohatra amin’ity tele nampimenomenona ny olona ao Antsirabe ity. Ny tsikaritra ihany koa dia tsy nanatrika ity lanonana ity ny talem-paritry ny fifandraisana sy ny serasera tao Vakinankaratra. Inona avokoa no anton’izany ?

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT