Actualités

TVM RNM Tolagnaro Notapahin’ny Jirama ny herinaratra


  • Alakamisy 21 Jolay 2011

Roa andro omaly izao no tsy afaka nanaraka ny fandaharana TVM-RNM ny ao Tolagnaro.

 Izany dia vokatry ny fanapahan’ny Jirama ny herinaratra mampandeha ity masoivohon’ny haino aman-jerim-panjakana ity izay manana ny foiben-toerany ao Ambovomaiky. Tsy vao izao no nisehoan’izany fa efa fanindroany. Voalaza fa noho ny tsy fandoavan’ny ministeran’ny serasera ny faktiora miavosa no antony. Tsy afaka manaraka ny fandaharana avy aty an-drenivohitra araka izany ny mpanaraka ny TVM sy RNM. Tsara ny manamarika fa amin’ity foibe toerana misy ny TVM sy RNM ity no misy ny toeran’ny Radio France Internationale aty an-drenivohitra Anôsy. Tsy ny haino aman-jery ity ihany no tratran’ny fanapahana toy izao fa saika ireo tranom-panjakana manan-trosa any amin’ny Jirama, izay miantraika hatrany amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana.

 

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT